La Gazette de la grande ile

Minisitra Ramanantsoa Benjamina: Nomen’ny « ambany tanàna » ny tailana

Publié le 16 décembre 2017

Nirehaka aoka izany omaly ny minisitra Ramanantsoa Benjamina, izay misahana ny fanajariana ny tany sy ny fanatanterahana ny tetik’asan’ny filohampirenena fa hotokanana ilay tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra (stationnement taxi-brousse) eny Andohatapenaka.

Nilomay ny anao lahy, nanao tsy omby aloha, mba niseho ho toy ny olom-pirenena tsotra ka nandeha fiara iomboanana (taxi brousse), niaraka tamin’ny filohampirenena sy ireo mpikambana ao anatin’ny fitondrana.

Te hiseho teo imason’ny filohampirenena ity minisitra isan’ny naharitra indrindra tao amin’ny fitondrana ity (hatramin’ny tetezamita tokoa), fa mahazaka ny mponina eny ambany tanàna. Ary te hirehareha amin’ny vahoaka koa fa nahavita zavatra ny fitondram-panjakana.

Inona anefa ny teo, hoy ianao ? Zara raha nisy olona tonga teny. Efa nampiasa ny fomba nahazatra an-dry zalahy ho amin’ny fanentanana ny mponina teny amin’ny faritra iva anefa ry Benjamina Ramanantsoa omaly. Te hanaporofo ihany indray izy fa « izy ny mpanao pôlitika mbola hany mahazaka ny mponina amin’ny faritra iva eto Antananarivo ».

Nihanjahanja sy nitanjaka teo imason’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga izay nanatrika ny lanonana omaly fa « nomen’ny faritra iva sy ny mponin’ny ambany tanàna lamosina ary nomeny ny tailana i Benjamina Ramanantsoa e ! »

 

 

Lire aussi