La Gazette de la grande ile

Ambalavao Fianarantsoa : dahalo nahafaty miaramila nahazo LP

Publié le 22 décembre 2017

Nanaitra ny mponina any amin’iny distrikan’Ambalavao Tsienimparihy iny ny vaovao niseho tao Fianarantsoa, ny talata 19 desambra lasa teo. Lehibena dahalo iray voarohirohy ho nahafaty miaramila Adjidà sefo no nomen’ny tribonaly ao Fianarantsoa fahafahana vonjy maika rehefa niakatra fampanoavana, ny talata teo. Raha hiverenana kely ny tantara dia tany amin’ny fiandohan’ny volana aogositra tamin’ity taona ity no nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany iray ao anatin’ny distrikan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony. Omby am-polony maro no lasan’ireo dahalo tamin’io fanafihana io ary tao aorian’izay dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana nahitàna zandary sy miaramila avy amin’ny tafika. Tsy lavitr’ilay tanàna voatafika ihany anefa dia nifanehitra tamin’ireo mpangalatr’omby ny mpitandro filaminana ka raikitra teo ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Maty voatifitra tamin’izany fifandonana izany moa ny miaramila manana ny galona Adjidà sefo ary tafatsoaka niaraka tamin’ny omby maro ireo dahalo. Natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ka ny faran’ny herinandro lasa teo no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny Commissariat an’Ambalavao ny olona iray voalaza fa lehiben’ireo dahalo nahafaty ilay Adjidà Sefo tamin’ny volana aogositra. Ny talata 19 desambra teo moa no niakatra fampanoavana tao amin’ny tribonaly ao Fianarantsoa ity dahalo voasambotra ity ka taitra daholo ny rehetra rehefa nandre sy nahafantatra fa nomen’ny mpitsara LP na fahafahana vonjy maika ny voarohirohy. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia fantatra fa notambazan’ity lehibena dahalo ity vola mitentina 10 tapitrisa ariary ny mpitsara ka nanaiky nanome azy fahafahana vonjy maika. Marihana fa mbola misy maromaro ny naman’ity dahalo raindahiny ity no karohin’ny mpitandro filaminana ankehitriny. Ny trangan-javatra tahaka ity niseho tao Fianarantsoa ity ihany no mahatonga ny mponina tsy hatoky ny fitsarana intsony ka mahatonga ny fitsaram-bahoaka sy ny tranga toy ireny niseho tany Ikongo ireny.

F.T.

 

 

Lire aussi