La Gazette de la grande ile

Andranobevava: Zanaka mpandraharaha malagasy nisy naka an-keriny

Publié le 23 décembre 2017

Miverina indray rehefa niato tao anatin’ny herinandro vitsy ny fakana an-keriny na ny kidnapping eto Andrenivohitra. Teny Andranobevava indray no nisehoan’izay fakana an-keriny izay, omaly atoandro. Ny mampiavaka ity indray mitoraka ity dia tsy teratany karana tahaka ny mahazatra no lasibatra fa mpandraharaha Malagasy iray izay manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena. Raha ny fantatra dia ny zanaka lahin’ity mpandraharaha ity, 15 taona ary mianatra eny amin’ny Lycée français eny Ambatobe, no nalain’ireo jiolahy an-keriny. Marihana fa vao tamin’ny alarobia 20 desambra teo dia nisy naka an-keriny ihany koa ny teratany karana antsoina hoe Jhon Razaly, mpiasa eo anivon’ny orinasa UCODIS. Manoloana izay firongatra ny fakana an-keriny eto amintsika izay dia fantatra fa handray ny andraikiny ny fanjakana frantsay satria  hita mibaribary ankehitriny fa tsy voafehin’ny fanjakana malagasy intsony ity resaka kidnapping ity. Hiditra an-tsehatra ny fanjakana frantsay satria olona mizaka ny zom-pireneny avokoa ireo lasibatra amin’ireo trangana fakana an-keriny eto amintsika. Ireo tompon’andraikitra ara-panjakana moa tsy sasatra ny milaza fa hiady amin’ity resaka kidnapping ity kanefa tsy hita izay vokany mandrak’ity ny androany. Ny mahagaga ary mampametra-panontaniana dia betsaka ihany izay olona voalaza fa mpaka an-keriny no voasambotra kanefa mitohy tsy misy fitsaharany mihintsy io asan-jiolahy iray io. Matetika na misy aza ny olona voasambotra izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba na voasaringotra amin’ny resaka fakana an-keriny dia afenina tsy aseho amin’ny vahoaka.

Lire aussi