La Gazette de la grande ile

Zafy Albert : nanome voninahitra azy ny Akademia Malagasy

Publié le 23 décembre 2017

Iray amin’ireo olo-manga nahavita be teto amin’ny firenena ny profesora Zafy Albert izay nodimandry ny 13 oktobra lasa teo. Izany indrindra no nanatanterahan’ny Akademia Malagasy fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana manokana ho an’ity filoha teo aloha ity, teny amin’ny foibeny eny Tsimbazaza, omaly. Nampahafantarina tamin’io fotoana io ny mombamomba ny profesora Zafy Albert, teo amin’ny maha mpitsabo azy sy ny asa vitany teo amin’ny fanaovana pôlitika. Betsaka ny Malagasy tonga nanotrona izany fahatsiarovana manokana izany satria feno hipoka ny efitrano nanaovana azy. Nitarika ity fanomezam-boninahitra ity moa ny filohan’ny Akademia Malagasy, Raymond Ranjeva.

F.T.

Lire aussi