La Gazette de la grande ile

Karaman’ny mpiasam-panjakana: Olana ara-teknika no nahatonga ny fikorontanana

Publié le 27 décembre 2017

Niteraka resabe tato anatin’ny andro andro vitsy ny fisian’ireo mpiasam-panjakana manodidina ny iray alina isa tapaka karama. Voakasik’izany moa ny seha-panjakana samihafa, ao ny mpampianatra eny amin’ny Lycée sy ny CEG, mpiasam-panjakana eny anivon’ireny departemanta ministerialy, hatramin’ny pôlisy sy zandary. Manoloana izay toe-javatra miteraka savorovoro eo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana izay dia nitondra fanazavana ny minisitra tompon’andraikitra voalohany, Maharante Jean de Dieu. Ity farany izay nanambara fa olana ara-teknika, na informatika raha marina kokoa, no fositra nahatonga ity fikorontanana teo amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ity. “Nisy ny tokoa ny fahadisoana tamin’ny fampiasana ilay Logiciel Augure ka izay no nampisy an’ireo mpiasam-panjakana tsy nahazo karama. Mbola tsy voahefin’ireo teknisianina tsara mantsy ny fampiasana an’io Logiciel io amin’izao fotoana ka nahatonga ny fikorontanana. Misy ny mpiasa tena fonksionera ara-dalàna kanefa tapaka karama ary misy kosa ireo tena fonksionera matoatoa no mbola nahazo karama”, hoy ny minisitry ny Asam-panjakana, ny asa sy ny lalàna sisialy, Maharante Jean de Dieu. Nambarany fa araka ny baiko nomen’ny filoham-pirenena dia tsy maintsy hiverina amin’ny laoniny alohan’ny faran’ny taona io olana io, izany hoe hahazo ny karamany ireo mpiasam-panjakana tapaka karama noho izay olana ara-informatika izay.

   F.T.

 

 

Lire aussi