La Gazette de la grande ile

Fahatapahan’ny Karaman’ny mpiasampanjakana: Tsy maty manota Razafintsalama Ihanta Sahondra

Publié le 29 décembre 2017

Anio zoma no tokony ho tapitra mandray ny karamany ireo mpiasampanjakana notapahin’ny fitondrana karama. Anio mantsy no misokatra farany ny biraom-panjakana mpandoa izany. Mbola mitaky fepetra amin’ireo mpiasa tapaka karama anefa ny fitondram-panjakana, na amin’ny alalan’ny antontan-taratasy na ny porofo hafa.

Raha ny marina dia ny mpitondra fanjakana nanapaka ny karaman’izy ireo no tokony hanaporofo ny antony nahatonga ny karama ho tapaka, ary raha niaiky ny mpitondra fanjakana fa nisy fahadisoana avy amin’izy mpitondra ny fanapahana karama dia rariny sy hitsiny raha averin’izy ireo miaraka amin’ny vava aloha ilay karama rehetra izay tapaka, ka avy eo ny tompon’andraikitra miverina mijery an’izay tsy ara-dalàna na « matoatoa ».

Ny marina dia misy tompon’andraiki-panjakana tsy manaiky ho diso eto fa mihevi-tena mandrakariva ho tompon’ny marina.

Iray amin’ireny ary ikoizan’ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny ministeran’ny vola ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha momba ny fitantanana ara-bola sy ny mpiasampanjakana (Direction générale des gestions financières et personnels de l’Etat), dia Rtoa Razafintsalama Ihanta Sahondra izany.

Izy io no tsy mitsahatra mampiditra mpiasa ao amin’ny ministeran’ny vola ao ary ny sasany dia alefany any amin’ny ministera hafa, ka mitady irika anakonana an’izany izy mba hiarovany an’ireo olona « nifampiraharaha manokana » ( ???) taminy dia natao anjambany ny fanapahana ny karaman’ny mpiasampanjakana ka nambara fa « matoatoa ».

Izy io no tsy manaja ny fitsipi-pifampitondrana ao amin’io ministeran’ny vola io ny amin’ny fahafahan’ny mpiasampanjakana ao mandeha misotro ronono na maty mampiditra ny zanany ho mpiasampanjakana ao, fa aleony « mifampiraharaha » ( ???) amin’olona hafa.

Tena mihevi-tena ho tsy maty manota mihitsy Rtoa Tale Jeneraly Razafintsalama Ihanta satria mahazo avara-patana any an-dapa any noho ny fifandraisan’izy mivady manokana amin’izy mivady lehibe ao an-dapa.

Samia tokoa ange, ry mpamaky hajaina, mieritreritra amin’ny saina tsy miangatra ary tony isika, fa amin’izao vanim-potoana mampafana vay ny tontolon’ny karaman’ny mpiasampanjakana izao izy no hoe tsy tao amin’ny toeram-piasany fa lasa naka rivotra ! Tena fanaovana zinona ny mpiasampanjakana izany. Na zonao aza ny maka rivotra dia mavesa-danja noho ny fisitrahanao izany zonao izany ny fanompoanao ny tanindrazana, satria tsy novozonana ianao tamin’io andraikitra sahaninao io fa sitra-ponao, ary mbola nokaramain’ny vahoaka koa ianao eo fa tsy manao asa an-terivozona. Ka rehefa mitranga ny olana dia andraikitrao ny mihazakazaka mamonjy ny toeram-piasana fa tsy hianonkanona maka rivotra.

Matetika aza izy no mivoaka any ivelany any izay re fa ny ampahany betsaka amin’ireny diany any ivelany ireny dia tsy misy ifandraisany amin’ny asam-panjakana sahaniny fa toa fitsangatsanganana sy fiantsenana fotsiny.

Ka rehefa tsy hanompo tanindrazana, tompoko,  ny mametra-pialana no mety aminao satria ny filohampirenerna azo antoka fa tsy hanaisotra anao eo mihitsy noho ianareo « vary sy rano ».

Lire aussi