La Gazette de la grande ile

CRAM: « Fifanarahana ara-politika aloha vao fifidianana »

Publié le 04 janvier 2018

Omaly no naneho ny heviny voalohany tamin’ny alalan’ny fanambarana ny CRAM na ny “Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar”. Fanambarana izay miresaka mikasika ny fifidianana ho tanterahina eto amin’ny firenena amin’ity taona 2018 ity. Ho an’ny firaisamonim-pirenena CRAM dia dingana lehibe tsy azo hidovirana ny firosoana amin’ny fifanarahana ara-politika mialohan’ny fifidianana mba hisorohana amin’ny krizy vaovao mety hitranga eto Madagasikara. “Iaraha-mahalala fa hatao amin’ity 2018 ity ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ka mbola manantena izahay fa hisy ny fifanarahana ara-politika satria firenena iaraha-manana i Madagasikara sy ho tombotsoa ambonin’ny firenena ary mba hialana amin’ny korontana mety hitranga”, hoy ny CRAM ao anatin’ny fanambarana. Teboka maromaro no tokony dinihana sy hifanarahan’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena raha ny hevitry ny fikambanana. Isan’izany ohatra ny momba ny tetiandro-pifidianana, ho an’ny CRAM dia tokony hifanaraka ny rehetra fa haroso roa volana mialohan’ny fotoana voafaritra ao anatin’ny lalàmpanorenana ny datin’ny filoham-pirenena ka hatao ny volana septambra 2018 ny fiodinana voalohany. Mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana mifanaraka amin’ny fomba demôkratika dia azo dinihana ao anatin’izay fifanarahana ara-politika izay koa ny lalàna mifehy ny fifidianana izay mbola tsy tonga eny am-pelatanan’ireo depiote . Mila dinihana lalina ihany koa ny fifidianana hatao, hampiarahana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve ny fifidianana solombavam-bahoaka sa hatao amin’ny taona 2019 rehefa mipetraka ny lalàmpanorenana vaovao? Raha ny momba ny fitsapahan-kevi-bahoaka kosa dia manambara ny CRAM fa tsy fandaniam-bola azo hitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny fanaovana izany kanefa raha tsy maintsy hirosoana ihany dia tokony hifanarahan’ny rehetra. Ho an’ity fikambanana firaisamonim-pirenena ity dia soso-kevitra haroson’izy ireo ny fampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana lalàmpanorenana. Izay kandida hilatsaka ho fidiana ho filoha dia tokony hanolotra volavolan-dalàm-panorenana mifanaraka amin’ny politika sy ny vinam-piarahamonina eritreretiny hitondrana ny firenena. Etsy ankilan’izay, takian’ny CRAM ihany koa ny tokony hanokafana ny RNM sy ny TVM ho an’ny mpanohitra, enim-bolana mialohan’ny fifidianana fiodinana voalohany. Foanana ny fampielezan-kevitra tahaka izay nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay fa hatao enimbolana mialoha. Izany rehetra izany dia fandinihana lalina ary hery velona rehetra no tokony hifampidinika an-databatra boribory raha ny hevitry ny CRAM.

F.Tsihiavonana

Lire aussi