La Gazette de la grande ile

Rivodoza AVA: Hiditra an-tanety rahampitso maraina

Publié le 04 janvier 2018

Vao manomboka ny taona dia hiatrika rivodoza sahady ny mponina any amin’iny ilany antsinanan’ny Nosy iny. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny sampandraharaha mpamantatra ny toe-trandro eny Ampasampito na ny Meteo dia nahafeno ny fepetra ka lasa nivadika Rivodoza, omaly maraina, ilay andro ratsy niforona tany antsinanan’Antalaha ao amin’ny Ranomasimbe Indianina ary nomena ny anarana hoe AVA. Raha ny kajy nataon’ireo teknisianina eo anivon’ny Meteo ihany dia rahampitso maraina no vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Soanierana Ivongo sy Brickaville ity rivodoza ity. Raha ny mari-drefy dia voasokajy ao anatin’ireo malefaka na ambany indrindra ny rivodoza AVA. 75 km/ora ny rivotra entiny ary tafiotra mahatratra hatrany amin’ny 105 km/ora. Omaly tolakandro dia tany amin’ny 350 km Avaratra antsinanan’ny nosy Sainte Marie no nisy ny foibeny ary fantatra fa hitombo hatrany ny heriny mialohan’ny hidirany an-tanety, rahampitso maraina. Efa nahazo filazana miloko maitso na filazana fanairana moa ny faritr’i Sava, Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Vatovavy Fitovinany. Ity rivodoza AVA ity noho izany no rivodoza voalohany mahavoakasika an’i Madagasikara amin’ity taona 2018 ity.

F.Tsihiavonana

 

 

Tsy fahaiza-mitantana: Olona nikasa hamono ny filoha aza tsy voafehy

Otran’ny zava-maivana amin’ny tompon’andraikitra sasany ny miteny na mandre fa nandositra ilay teratany frantsay notanana teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy hatramin’ny volana jona, ankatoky ny fetim-pirenena, izay nosamborina fa nahiana nikasa hamono ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina. Izay tranga izay, raha ny fanampim-baovao, no nahatonga ny toerana nisy ny filohampirenena teny amin’ny « Tribune » amin’ny kianjaben’i Mahamasina nasiana fitaratra tsy laitram-bala nanodidina azy nandritra ny matson’ny foloalindahy teny.

Dia zendana ny maro raha nandre fa noho ny toe-pahasalaman’io teratany frantsay io dia hoe hoentina hifindra avy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy hiazo ny fonjan’Antanimora izy ka tamin’izay no tafaporitsaka nitsoaka nandositra ary karohina fatratra. Tamin’iny faramparan’ny taona iny no nitrangan’izay fandosirana izay.

Zendana ny maro satria tokony ho hentitra ny fepetra rehetra nitazonana sy niambenana an’izany olon-dratsy nikasa haningotra ny ain’ny filohampirenena izany fa tsy natao rainazy toa izany. Ambonin’izany, teratany vahiny, ka matoa tonga taty izy io hanatanteraka ny teti-dratsiny dia tokony tsy hadinoina fa olona manana traikefa ny amin’izany.

Fa tao anatin’izay hagagan’ny maro izay no nipololotra ny eritreritra tsy tana teo amin’ny maro hoe « ka ny olon-dratsy nikasa hamono hahafaty ny filohampirenena aza moa afaka nitsoaka toa izany ka izay dahalo nandroba ny fananan’ny vahoaka tantsaha na izay jiolahy nanafika ny harenan’ny olom-pirenena tetsy na eroa ve dia hahagaga raha tsy tratra na tsy voafehy ? »

Ny olona sasany indray moa dia lasa any amin’ny zavatra hafa mihitsy ny fisainany. Isan’izany ny hoe « sao lahy ka nisy tsikombakomba maloto tamin’ny tompon’andraikitry ny fonja tany ho any ka izay dingana hamindrana azy eny Antanimora izay no tetika nahafahana nampandositra azy ? » Nisy koa ny nanipika fa « sao lahy ka tsy olona nikasa hamono ny filoha malagasy akory izy iny fa tratry ny tondro-molotra, araka ny fanaon’ny « mpila anditra ao an-dapa ao », ka nisy fanerena avy any ivelany dia tsy maintsy napetraka ny tetika rehetra hampandosirana azy mba tsy voatondron’ny vahoaka molotra ny mpitondra hoe « manaotao foana » na « mihampanga olona tsy nanao ratsy akory ».

Tombantomban’ny mpandinika avokoa izany, ary tsy mahagaga raha mipololotra toa izany ny fiheveran’ny maro satria taratry ny tsy fitokisan’ny betsaka ny mpitondra fanjakana sy ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany intsony avokoa izany.

 

 

Lire aussi