La Gazette de la grande ile

Rivodoza AVA: Nitsara ny fanjakana amin’ny asany

Publié le 08 janvier 2018

Tao anatin’ny roa andro izao dia niaina tao anatin’ny ranon’orana sy erik’andro ’ny faritra ampovoan-tany rehetra teto Madagasikara. Ny tany amin’ny sisin-tany Atsinanan’ny Nosy manontolo ary ny ilany Avaratra hatrany Nosy-Be dia tsy afa-maina koa tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava ity nanomboka ny alakamisy faha 04 janoary 2018. Tsy hay lazaina intsony ny fahavoazana mahazo ny faritanin’i Toamasina manontolo izay niala avy any Maroantsetra, ka tonga hatrany Vatomandry  ary Ambatondrazaka sy Moramanga. Mbola nitohy hatrany amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, toa an’i Nosivarika, Mananjary, Ikongo, Manakara, sy Vohipeno. Ireo no tena nitondra faisana satria izay tsy nitondra faisana tamin’ny rivotra dia nataon’ny rano potika tanteraka. Nisy ny olona tsy hita popoka hatramin’izao ary maro tsy tambo isaina ny isan’ny tsy manan-kialofana.

Hoan’Antananarivo manokana dia efa an’arivony mahery ny olona tsy mana-kialofana, nisondrotra ny renirano, ary lasibatra amin’izany ny ambanintanàna rehetra tsy ankanavaka. Tototrin’ny rano ny toerana rehetra iva. Mbola mitohy nefa ny erik’andro hatramin’ny alahady 07 janoary 2018 alina hanoratana ity. Mbola hitohy ao anatin’ny andro vitsivitsy ny faharatsian’ny andro hoy ny avy ao amin’ny mpamatatra ny toetr’andro. Dia mbola ho loza be izany no hitranga eto raha toa ka mbola hisy ny fitohizan’ny orana izany.

Marina fa loza voajanahary no fahatongavan’ny rivodoza AVA ity ka tsy maintsy mampitondra takaitra hoan’ny Madagasikara izany. Toa ny rivodoza nisy hatramin’izay izany, saingy tsy tokony ho toa izao no fahavoazana mahazo ny firenena. Nahoana no potika avokoa ny làlana eto Antananarivo. Potika toa izany koa ny làlam-pirenena maro manerana an’i Madagasikara. Tapaka ny làlana any amin’ny RN-6 mankany Antsiranana. Ny teo aloha tsy mbola vita tsara dia efa potika indray ny namboarina satria natao zara fa vita sy kitoatoa. Tapaka toa izany koa ny tetezana  mankany Fianarantsoa ao Vohiposa , izay mbola nisy fahasimbany tsy ela akory izay. Ao Ranomafana Ifanadiana koa dia tapaka ny làlana satria feno lavakabe ny arabe ka tsy misy azo andehanan’ny fiarakodia mihitsy.

Tsy ireo ihany no fahavoazana mahazo ny Malagasy fa hatramin’ny trano sy ny biraom-panjakana aza dia lasan’ny rano sy ny rivotra avokoa ka maro amin’izy ireny no mbola trano tsy ela akory no namboarina sy naorina.

Ampangain’ny gaboraraka nataony ny fanjakana amin’ity fahatongavan’ny rivo-doza ity amin’ireo lalàna sy ny tetezana. Tampitampenina amin’ny alalan’ny “tip-top” ny làlana rehetra dia izao no vokany. Tsy ampy iray taona dia potika nefa vola amina miliara ariary no omena ny orinasa ampanaovina azy ireny.  Ilay orinasa koa amin’izany tsy tena mahafehy ny asa fa kinamanamana sy mpiray antoko ao amin’ny HVM (Hery Vaovao hoan’i Madagasikara) dia omena “marché”. Maro tsy hay tenenina amin’ireny ny asa zara fa vita ary misy aza no lazaina fa namboarina na nohatsaraina nefa tsy nisy izany akory. Dia izao no vokany.

Raha mijery ny eto Antananarivo manokana isika dia manamporofo ny làlana gaboraraka namborin’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ity ny làlan’ny francôfonia iny izay efa manomboka simba sahady. Ny làlana mankeny Ambohipo izay efa potika koa ny ankamaroany. Ny mankany Itaosy sy ny làlana Andrefan’Ambohijanahary izay mbola haingana no nasiana fanavaozana.

Ao ambositra amin’izao fotoana izao dia potika tanteraka ny làlana ary misy toerana tsy azo andehanana intsony, sady tsy ampy fikojakojana izy ireny no zara raha namboarina izay nefa nandaniana volabe.

Any Ambondromisotra ao Ambatofinandrahana dia trno 30 no ravan’ny rano tao an-tsena satria vaky ny fefiloha ary nihoatra ny reniran’I Mania. Potika ny voly rehetra ao Andranomiely. Marobe no tsy manakialofana ary potika ny voly. Efa nitokamonina nohon’ny fahatapahan’ny lalana koa nefa ity toerana ity talohan’ny krisimasy.

Gaboraraka sy kitoatoa no azo lazaina izany ary tsy fahaizana mitondra sy fanahiniana. Tsy misy kalitao ny fanamboarana fotodrafitrasa eto. Ohatra mahatonga ny fahantrana mihoapampana eto Madagasikara izany izay mananika ny 92% mahery. Mbola nohamafisin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena io fahantrana mihoapampana io amin’ny alalan’ny fanambarana ataon’izy ireo ary mbola navoaka teto amin’ity gazety ity izany tapabolana lasa izay.

Hailikin’ny fanjakana amin’ny fandalovan’ny rivodoza AVA indray ve izao ny tsy fahombiazana ataon’izy ireo. Tokony tsy hosimba be toa izao ireo foto-drafitrasa simba ireo raha toa ka tsy kitoatoa no nanaovan’ny fanjakana izany tao anatin’ny efa-taona nitondrany izay.

Jesy Rabelaolao

 

Lire aussi