La Gazette de la grande ile

Taona 2018: Ratsy fanombohana ary ho ratsy fiafara

Publié le 08 janvier 2018

Herinandro katroka izay no nidirana amin’ny taona vaovao na ny taona 2018. Toy ny mahazatra ary fomba fanaon’ny olombelona manerana izao tontolo izao, dia mifampirary soa ny rehetra ary mirary taona feno fahasoavana sy fiadanana. Raha ho an’ny ankapobean’ny vahoaka malagasy manokana aloha dia sarotra ny hinoana fa hitondra soa sy fiadanana ho azy ity taona 2018 ity, raha mijery sy mandalina ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra fa eo amin’ny lafiny politika. Tsy ampisalasalana no ilazana fa ratsy fanombohana ary ho ratsy fiafara ny taona 2018 ho an’i Madagasikara, ary taona mety hampiditra ny firenena any anaty kizo lalina. Vao manomboka ny taona dia efa miatrika rivodoza sahady ny Malagasy ary ireo mponina any amin’iny ilany Atsinanan’ny Nosy iny no tena voamafy. Ao ireo rava-trano sy potika fananana, na koa voatery miala amin’ny trano fonenany izay dibo-drano tanteraka. Tsy any amin’ireo faritra Atsinanan’ny Nosy ihany fa na ny eto Andrenivohitra aza dia maro fianakaviana traboina eny amin’ny faritra iva eny, maro ihany koa ireo dibo-drano tanteraka ny trano, ohatra amin’izany ireo mponina eny Anosizato Andrefana sy Ampitatafika izay manamorina ny reniranon’i Sisaony. Raha ny eto Andrenivohitra moa dia tsy ireo vahoaka madinika traboina ihany no voamafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza AVA teo fa tra-pahavoazana daholo ny rehetra, raha tsy hiresaka fotsiny ny fahasimban’ny lalàna manerana an’Antananarivo, izay miteraka fitohanan’ny fiara mampiteny ny moana ary manimba ny fiara. Raha hijery lavidavitra kosa isika, izany hoe any amin’ny faraparan’ny taona any, dia zava-dehibe no  miandry ny vahoaka malagasy dia tsy inona izany fa ny fifidianana filoham-pirenena ary mbola noamafisin’i Hery Rajaonarimampianina izany, nandritra ny lahateny nataony teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy na iray aza, na olom-pirenena tsotra, na olona mpamakafaka ny raharaham-pirenena, ka milaza fa hizotra araka ny tokony ho izy, na hizotra ao anatin’ny filaminana tahaka ny fahita any amin’ireny firenena mandroso ireny, ny fifidianana ho tanterahana eto amintsika amin’io faran’ny taona io. Tsy mahagaga raha manahy korontana daholo ny ankamaroan’ireo fikambanana firaisamonim-pirenena mpanara-maso ny fiainam-pirenena satria feno ny fepetra hisian’izany korontana izany noho ny ataon’ireo mpitondra HVM. Ireny tranga niseho tany Toliary, tamin’ny faran’ny herinandro teo ireny, dia efa taratra sahady amin’ny savoritaka hitranga eto Madagasikara amin’io fifidianana filoham-pirenena io. Raha tsiahivina ny zava-niseho tao Toliary ny sabotsy teo dia nisy ireo andian’olona nokaramaina hanao fihetsiketsehana teny amin’ny seranam-piaramanidina, nanakana ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana tany an-toerana. Ireto farany izay nilanja sora-baventy misy ny soratra hoe : “Toliary tsy mila Marc Ravalomanana”. Raha ny fantatra dia olon’ny HVM avy any amin’iny faritra iny no nanakarama ireto olona nanao fihetsiketsehana ireto. Izany rehetra izany no mampiseho fa fifanjevona tsy hifankahitana no hitranga eto Madagasikara noho ity fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny faran’ny taona ity.

                                                                                                F.Tsihiavonana

 

Lire aussi