La Gazette de la grande ile

Vahoakan’Ambanja: Nosazian-dry Rolly Mercia noho ny Pastora Mailhol

Publié le 12 janvier 2018

Mibaribary eny hatrany ny maha-mpitondra fanjakana tsy mahazaka Demokrasia ny fitondrana ankehitriny. Re mantsy izao fa taorian’ny nanasan’ny mpanao gazety ao amin’ny “Radio Rural”  any Ambanja ny Pasteur Mailhol, mba hitondra fanehoan-kevitra tao, raha nandalo nitsidi-paritra tany ity Filohan’ny fikambanana Apokalypsy ity, dia nandray fepetra ny fitondrana Hvm ka nakatona io onjam-peo any Ambanja io.

Ny fanehoan-kevitry ny Pasteur Mailhol no tsy zakan’ny fitondrana Hvm ka ny onjam-peo anarahan’ny vahoakan’Ambanja sy ny manodidina vaovao no nakatona ary dia naman’ny voasazy ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana.

Tsy maintsy hanana ny antony hanadiovany tena indray izao momba io fanamparam-pahefana io ry Rolly Mercia, ka dia harahintsika eny ny fivoarany.

J.B.

Lire aussi