La Gazette de la grande ile

Fanambarana

Publié le 18 janvier 2018

Holafitry ny mpanao gazety

Faritanin’Antananarivo

 

Fanambarana

 

 

Izahay mpikamban’ny Holafitry ny Mpanao Gazety voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo dia manamafy sy manantitra fa tsy ara-dalàna sy tsy manaraka ny lalànan’ny serasera sy ny fifandraisana ny fananganan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MCRI) ny Vaomiera manokana mikarakara ny karapanondron’ny mpanao gazety. Aminay, ezahina hatao kara-pifidianana ho amin’ny fifidianana birao vaovao fotsiny ihany izany.

 

Voatondron’ny andininy faha-55 amin’ilay fehezan-dalàna mifehy ny serasera sy ny fampahalalam-baovao fa andraikitra ny Holafitry ny Mpanao gazety ny mikarakara izany karapanondron’ny mpanao gazety izany.

 

Noho izany, tsy tompon’andraikitra mivantana na ankolaka amin’io fikarakarana  kara-pifidianana ataon’ny Vaomiera natsangan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny andrim-panjakana io izahay mpikamban’ny Holafitry ny Mpanao Gazety voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo.

 

Tsy miditra ao anatin’ny « Comité de suivi et contrôle » natsangan’ny minisitera koa izahay, araka ny fanazavana eo ambony.

 

Malalaka amin’ny fanapahan-keviny amin’izay fepetra raisiny avy kosa anefa ny mpanao gazety tsirairay avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo sy ireo tompon’orinasa fanaovan-gazety na haino aman-jery.

 

Natao izao fanambarana izao mba hanamafisana ny hevitray sy hialan’ny ahiahy.

 

Misaotra tompoko.

 

 

Androany, 17 janoary 2018

 

Ny filoha lefitra ny OJM faritanin’Antananarivo

Didi Ratsimbazafy

 

Ny mpanolotsaina OJM faritanin’Antananarivo

Zoelson Randrianindrina

 

Lire aussi