La Gazette de la grande ile

Mpandraharahan’ny fonja: Mitaky ny hamoahana ireo namany nampidirina am-ponja

Publié le 18 janvier 2018

Tsy mankasitraka ny nampidirana am-ponja vonjy maika an’ireo namany miisa 3, izay nampidirina am-ponja noho ilay raharaha Houcine Arfa ireo sendika 2 misy eo anivon’ny fandraharana ny fonja eto Madagasikara, ny SPAM sy ny SNAP. Ireto farany izay nampiantso mpanao gazety, omaly, ary nampahafantatra an’izay tsy fankasitrahan’izy ireo izay. Takian’ireto sendika ireto tsy misy fepetra ny tokony hanomezan’ny fitsarana fahafahana vonjy maika ho an’ireo mpiandry fonja 3 lahy nampidirina am-ponja. “Takiana tsy misy fepetra ny hanomezana fahafahana vonjy maika ho an’ireo namanay miisa 3 nampidirina am-ponja noho ireto antony ireto: voalohany aloha dia nanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ireo mpiandry fonja ireo no tratran’ny herisetra. Tsy misy ny antony tokony hitanana azy ireo any am-ponja satria tsy handositra mihitsy izy ireo rehefa tonga ny ilàn’ny fitsarana azy 3 lahy”, hoy ny filohan’ny SPAM na ny Sendikan’ireo mpandraharahan’ny fonja eto Madagasikara, Razafindranamana Pierrot. Ankoatra izay, takian’izy ireo koa ny tokony hanaovan’ny fitsarana fanadihadiana lalina mba ahafantarana ny tena marina momba ity raharaha miteraka resabe eto amin’ny firenena ity. Tamin’io fotoana io dia nanararaotra namerina ny fitakiana nataon’izy ireo hatramin’izay ny sendika roa tonta, dia ny tokony hanomezan’ny fanjakana ny fitaovana sahaza sy mendrika ho an’ireo mpiandry fonja sy mpandraharahan’ny fonja.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi