La Gazette de la grande ile

Raharaha Houcine Arfa: Manainga ny Bianco hihetsika ny SMM

Publié le 19 janvier 2018

Efa nampoizina ihany izao fihetsika ny SMM na sendikan’ny mpitsara izao tao aorian’ny ampamoaka nataon’ilay teratany frantsay, Houcine Arfa, tao amin’ny gazety “Le Parisien”, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nandefa taratasy tany amin’ny Bianco ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara, mangataka sy manainga azy ireo mba hanao fanadihadiana lalina mikasika ireny fanambarana nataon’i Houcine Arfa ireny, manoloana indrindra ny filazan’ity farany fa nomeny vola ny minisitra ny Fitsarana, ny mpampanoa lalàna, ny tale kabinetran’ny ministera, ary tompon’andraikitra maromaro mba ahafahany nitsoaka ny fonja ary nandosirany any ampitan-dranomasina. Ho an’ny SMM dia manimba tanteraka ary mandoto ny fitsarana malagasy ny ampamoaka nataon’ity teratany frantsay ity, izay tsy fantatra na marina na tsy marina, ka izany no antony tokony handraisan’ny Bianco ny andraikiny mba ahafantarana ny tena fahamarinan’ireny resaka nataon’i Houcine Arfa ireny. Tsy misy afa-tsy ny fanadihadiana lalina ihany anefa no ahatongavana amin’izany, raha ny hevitra ny sendikan’ny mpitsara. Raha tena voaporofo tokoa fa marina ny voalazan’ity teratany frantsay ity dia tokony ho saziana araka ny lalàna velona eto amin’ny firenena ireo nandray vola sy nanao kolikoly rehetra. Tsy eken’ny SMM ny fisian’ny olona tsy maty manota raha toa ka tena mitombina ny fanambarana nataon’i Houcine Arfa tamin’ilay mpanao gazetin’ny “Le Parisien”. Ny sendikan’ny mpitsara izay milaza tsy hanaiky mihitsy ny hahavitavita ho azy an’ity raharaha ity fa tokony ary tsy maintsy mivoaka ny marina rehetra. Marihana fa eo am-pelatanan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ity taratasy fangatahana nataon’ny SMM ity.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

Lire aussi