La Gazette de la grande ile

Soanierana Ivongo: Nalefa sesitany i Ginot mpangalatra lavanila

Publié le 23 janvier 2018

Nafampana indray ny toe-draharaha tao amin’ny tanànan’i Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo, omaly alatsinainy. Olona manodidina ny 400 isa teo ho eo, avy ao amin’ny fokontanin’i Tsirarafana, 15 km miala ny tanànan’i Soanierana Ivongo, no niara-nirona ary nihazo ny biraon’ny zandary tao an-toerana. Ireo andian’olona ireo izay nitaky ny hamoahana ny mpangalatra lavanila iray antsoin’izy ireo hoe “Mr Ginot”. Marihana fa efa malaza ratsy amin’ny halatra lavanila any amin’iny distrikan’i Soanierana Ivongo iny ity lehilahy ity ary tamin’ny alarobia 17 janoary lasa teo izy no voasambotry ny zandary. Rehefa nahafantatra izany ny mponina tao amin’ny fokontanin’i Tsirarafana dia nanapa-kevitra ny hiara-hirona any Soanierana Ivongo tanàna ary hanao fitsaram-bahoaka an’ity voalaza fa mpangalatra lavanila ity. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tamin’ny 4 ora maraina no niala tao Tsirarafana ireto olona manodidina ny 400 isa ireto. Mazava ho azy fa tsy nanaiky namoaka an’io raim-pianakaviana io ny zandary ka raikitra teo ny disadisa. Tsy nitazam-potsiny moa ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana fa niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha. Rehefa natao fifampiresahana dia tapaka fa halefa sesitany any Toamasina i Ginot ary tsy afaka mankany amin’iny faritr’i Soanierana Ivongo iny intsony mandrakizay. Omaly maraina ihany raha ny fantatra no nalefa any Toamasina ity mpangalatra lavanila ity, eo am-piandrasana ny fotoam-pitsarana azy. Marihana fa omaly hariva dia nisy mpitandro filaminana avy any Fenoarivo Atsinanana no tonga tany Soanierana Ivongo, hanampy ireo mpitandro filaminana ao an-toerana raha sanatria ka misy ny korontana na fifandonana.

                                                                                                    F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

Lire aussi