La Gazette de la grande ile

Antaninandro sy Andravoahangy ambony: Nisy andian’olona nidina an-dalambe nively vilia sy vilany

Publié le 25 janvier 2018

Nanaitra ny olona teny amin’iny faritra Antaninandro sy Andravoahangy ambony iny, omaly, no nahita ireo andian’olona nitandahatra nivezivezy tamin’ny arabe, nively vilia sy vilany ary niantsoantso ny mpitondra fanjakana nilaza hoe “noana izahay vahoaka”. Am-polony maro teo no isan’izy ireo ary samy nitondra vilia sy vilany avokoa. Raha ny hita teny an-toerana dia tsy nisy mpanao pôlitika na filohana fikambanana nitarika ireto olona nidina an-dalambe ireto fa olom-pirenena tsotra izay mahatsapa fa diso tafahoatra loatra ny fahatrana eto amin’ity firenena ity noho ny tsy fahaiza-mitantana avy amin’ireo mpitondra. Toe-javatra tsy dia fahita firy teto amintsika moa ity trangan-javatra niseho omaly ity satria na nisy ny hetsika mety mitovy endrika amin’izany tany aloha dia nisy ny fikambanana firaisa-monim-pirenena nitarika. Heverina fa raha misy hetsika tahaka izany daholo ny fokontany miisa 192 eto Antananarivo Renivohitra, mety ho hafahafa ihany ny fandehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena.

F.Tsihiavonana

 

 

 

Lire aussi