La Gazette de la grande ile

SECES: Digy eny Ampitatafika: Vao maizina ny andro dia manjaka ny mpanendaka

Publié le 27 janvier 2018

Tsy misy tsy mahalala ny mponina eny amin’iny kaominina Ampitatafika iny fa rehefa maizina ny andro, indrindra fa ao aorian’ny amin’ny 8 ora alina, dia tsy azon’ireo mpandeha tongotra izay mety mitondra volabe na zavatra lafo vidy ny lalana digy izay miainga eo Ampitatafika mihazo  an’i Fenoarivo. Ny antony dia misy ny mpanendaka mihaodihaody eny amin’iny toerana iny ka raha olona iray na roa no mifanena amin’izy ireo dia hiharan’ny fanendahana. Misy amin’ireo mpanendaka no mampiasa tetika maty paika. Mitondra vehivavy izy ireo rehefa hanao ny asa ratsiny, ilay vehivavy no mody mampiresaka ireo lehilahy mandalo ka vao mijanona dia mipoitra tampoka ireo mpanendaka. Eo amin’ny sampanana mivily mihazo ny fokontanin’Ambodiafontsy sy Faliarivo no tena malaza ratsy eo amin’izay resaka fanendahana izay, tato anatin’ny taona vitsy. Betsaka mantsy ireo olona miala taxi-be eo amin’io sampanana io rehefa maizina ny andro ka araraotin’ireo jiolahy. Mahagaga ihany anefa fa misy biraon’ny zandary eo amin’ny faritra vao mivoaka an’Ampitatafika mihazo an’i Fenoarivo iny kanefa tsy mety foana fa manohy izay asa fanendahana izay hatrany ireo olon-dratsy.

F.Tsihiavonana

 

 

Pôlitika: Mampiteniteny foana ny fitiavan-tseza

Volana vitsy sisa dia tsy maintsy manova izay ho filoham-pirenena ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fifidianana izay tsy maintsy hatao amin’ity taona 2018 ity.

Nanomboka ny taona 2017 iny dia nampiseho ny fahamamian’ny fitiavan-tseza ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny mpikatroka HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara), ka mitady izay fomba hahazoana mandà iray vaovao indray na dia efa nampitondra fahoriana sy fahantrana ho an’ny vahoaka Malagasy nandritra ny efa-taona.

Tsy hampahatsiaro ny fanambarana isan-karazany nataon’ny HVM sy ny mpiara-dia aminy isika amin’ny fanambarana isan-karazany nifanesy teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2014 izay nitondrany ny firenena. Raha ny fanambarana nataon’ny fivoriamben’ny Eveka teto Madagsikara isan-taona dia tsy tokony ho eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Hery Rajaonarimampianina satria tsikera mavaivay tsy misy toa izany no nataon’ny katôlika azy. Matetika aza dia nanao fivoriana nitsikera in-droa na in-telo isan-taona izy ireo.

Ity fanjakana nentin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ity koa no nisy fitakiana be indrindra nataon’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana.

Tsy ny tenenina intsony ny fitarainan’ny tantsaha any ambanivohitra rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-dahalo. Mbola tsy nisy ny toa izao hatramin’ny fahaleovan-tena hatramin’ny taona 1960.

Tsy tenenina intsony koa ny kolikoly avolenta ataon’ny mpitondra ambony sy ny mpomba azy akaiky ka naha banky rompitra ny volam-panjakana ankehitriny.

Tsy mbola nisy toa izao koa ny fanaovana takalonaina olona teto Madagasikara ka mandry andriran’antsy ny mpanam-bola mpampiasa vola.

Indrisy fa ny kitapom-bolam-panjakana mihitsy no nosakain’ny olona mpomba ny fanjakana avy aty ivelany ka nilibana teto amin’ny firenena tao anatin’ny antoko HVM. Ny sinoa sy ny vahiny no mibaiko ny fitrandrahana ny harena eto Madagasikara ankehitriny ka hatramin’ny sokatra sy ny tanalahy avy no aondrana antsokosoko mandeha mankany Azia, ka ireny firenena ireny indray no toa tompon’i Madagasikara.

Nampahantrana ny Malagasy ka maro no nalaina an-keriny ny fananany toa ny tany sy ny trano ary ny faritra misy azy. Mody omena fahazoan-dàlana hanofa tany maharitra ny mpanam-bola vahiny mba tsy hilazana azy fa mivarotra tanindrazana ny fanjakana Malagasy ankehitriny.

Vokatr’izany dia maro ny tovovavy Malagasy no nanaiky hohandevozina any Liban, Kowet, Chine ary ny firenena arabo maro noho ny famoizam-po.

Santionany tamin’ny fitantanana tsy nahomby nataon’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ireo. Ankehitriny nefa dia mbola milaza ingahy filoham-pirenena fa hitondra an’i Madagasikara amin’ny “vina fisandratana” hatramin’ny taona 2030 izy?

Sao dia manonofy ary ny filoham-pirenena-tsika ity? Tsara ny hahalalany ny fihetsika nataon’ny olona taorian’ny alakamisy faha 25 janoary 2018 iny izay nankalazany ny faha efa-taona nitondrany ny firenena: “fanesoana, hasosorana, fahatezerana” no nandraisan’ny Malagasy maro iny fanambarana iny. Tena mampiteniteny foana tokoa ny fitiavan-tseza hoy ny olona tetsy sy teroa omaly zoma raha miresaka iny raharaha iny.

Jesy Rabelaolao

 

 

Lire aussi