La Gazette de la grande ile

Fanavaozana ny lisim-pifidianana: Mbola vitsy ny antontan’isa an’Antsirabe

Publié le 29 janvier 2018

Ny 31 janoary izao no hifarana vonjimaika ny fanavaozana ny lisim-pifidianana ho amin’ny taona 2017-2018 andiany voalohany raha nanomboka ny 01 desambra 2017 izany. Tsikaritra ho mbola tsy ampy raha ny tanjona tiana ho tratrarina no jerena satria fantatra nandritra ny tomban’ezaka natao hoan’ny distrikan’Antsirabe voalohany sy faharoa ny faran’ny herinandro teo niaraka tamin’ny CENI na ny vaomiera mahaleotena momban’ny fifidianana foibe tetsy amin’ny tranompokonolona fa mbola betsaka ny ezaka tokony ho tratrarina. Raha ny antotan’isa tonga tany amin’ny CENI hatramin’ny 12 janoary teo dia mbola ny 03 % hoan’ireo izay mbola tokony ho hampidirina ao anaty lisitra no nanatona ho an’Antsirabe voalohany ary ny 1,5 % hoan’Antsirabe faharoa ary raha hoan’ny Vakinankaratra dia mbola ny 3,2% no tonga. Maro ny ezaka efa natao raha ny teto Antsirabe voalohany saingy ny fahavitrihan’ny mpifidy tokony ho voasoratra ihany koa no tena andrasana eny amin’ireny Fokontany ireny. Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fahatomombanan’ny lisim-pifidianana hoy Andriamatoa Ramahadison Olivier filoha lefitry ny Vaomiera mahaleotenan’ny fifidianana ary tsara ny manamarika fa raha ny fenitra iraisam-pirenena dia tokony mba hanatratra ny 90% n’ireo tokony ho voasoratra no tafiditra ary 98% ireo tafiditra no manamarina ny anarany. Ao aorian’izao fanakatonana vonjimaika izao dia tsara ihany ny manamarika fa hiverina eny amin’ny fokontany indray ny lisitra ary ny faha 15 Avril 2018 no hifarana tanteraka ny fanavaozana ny lisim-pifidianana. Ny tsara ho marihana dia ity lisim-pifidianana havaozina amin’izao ity no hiantoka ireo fifidianana hifandimby amin’ity taona 2018 ity.

Haingo R.

 

 

 

Lire aussi