La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Politika maloto

Publié le 29 janvier 2018

Eto ampanombohana dia anaovana fanamarihana avy hatrany fa matoa misy ny « politika maloto » dia misy izany ny « politika madio ». Misy mantsy ny olona no tsy mandinika loatra ka ny faharatsian-toetran’ny mpanao politika sasany no ilazany fa « ratsy ny politika ». Noho izany, tsara ihany ny miezaka manavaka ny « politika maloto » sy ny politika madio », toy ny tokony anavahana hatrany koa ny « mpanao politika tena izy », sy ny « mpanao politika sarintsariny », izay adika koa indraindray hoe « mpilalao politika ». Ka raha miresaka « politika maloto » isika dia mby an-tsaina avy hatrany ny politika nosoritsoritran’ny mpitondra nifandimby teto, izay aoka koa vantanina fa niteraka izao fahantram-bahoaka lalina iarahantsika miaina izao. Vao avy namelabelatra ilay antsoiny hoe « Fisandratana mirindra ho amin’ny taona 2030 » mantsy ny filoha Rajaonarimampianina ny alakamisy teo, izay niteraka ady hevitra indray teo amin’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena. Ny goavana indrindra tamin’iny, raha azo ambara hoe « goavana », dia izy mbola nankinina tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpampisambo-bola iraisampirenena sy ny mpampiasa vola avy any ivelany. Any ambany lavitra vao noresahin’ny filohampirenena ny anjara toeran’ny vahoaka malagasy sy ny mpandraharaha malagasy. Izay endri-javatra izay dia efa mampitsimbadika ny rasa ka ny tokony ho tombontsoam-pirenena malagasy dia lasa tombontsoan’ny vahiny. Raha mitodika ny lasa nandritra ny 57 taona isika dia izay 100% no nitranga teto, ary mbola izay koa izany no « hisandratra » eto mandrapahatongan’ny 2030, raha mitohy izao fitantanan’olona fatra-mpiankindoha amin’ny hery vahiny izao. Ny politika nampiharin’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto hatrizay dia « politika maloto », ary izay rehetra mieritreritra ny hitondra fanjakana na hifaninana hofidiana na mihevitra hiakatra eo amin’ny fitantanana ny fahefam-panjakana amin’ny fomba rehetra ka mbola io « politika maloto » io ihany no ho vontoatin’ny foto-kevitra ijoroany sy hotompoiny, dia ambara mivantana fa tsy hahitan’ny vahoaka malagasy ny anjara-masoandroany mihitsy izany. Ny an’i Hery Rajaonarimampianina aloha izany iny dia efa nazava ny politika mbola tiany hitantanana ny fanjakana. Na tsy mbola tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana aza isika dia sarotra ny hieritreritra fa hanana hevitra hafa ankoatran’iny izy hoentiny mandresy lahatra ny vahoaka rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. Ny mbola mieritreritra hiverina eo amin’ny fitondrana koa, izany hoe « efa nitondra », dia tsy hanan-javatra « vaovao hafa » hoentina ankoatry ny sori-dalana efa nentiny. Isan’ireny ny « Map »-n’Ingahy Ravalomanana. Tsy nisy foto-kevitra hafa na mifanohitra amin’ireo hevibaventy efa nomena lanja teto mba hahazoana vola avy any ivelany izy io, dia ny « Pas » na ny politikan’ny fanitsiana ara-drafitra faha-Repoblika faharoa, ny Antontan-taratasy lasitry ny politika ara-toekarena (Dcpe) tamin’ny fitondrana Ravony, ny « Antontan-taratasy lasitry ny politika ho fampihenana ny fahantrana (Dsrp) faha-Ratsiraka sy Tantely Andrianarivo (1997-2001). Samy nitondra ny anjara-birikiny ho fampihomboana ny fahantram-bahoaka ireo rehetra ireo, ary izao mbola arangarangan-dRajaonarimampianina amin’ity resaka « fisandratana sandoka » na « hosoka » ity izao. Politika maloto hanohizana ny fampahantram-bahoaka sy ny famotehana ny firenena io satria mbola mifototra hatrany amin’ny fampiankinan-doha an’i Madagasikara amin’ny any ivelany nefa efa nampitondra fahoriana ny ambanilanitra.

Ralay

 

 

Lire aussi