La Gazette de la grande ile

Inty sy nday: Hoentina aiza ity vidin-tsolika ity ?

Publié le 30 janvier 2018

Mibaribary ny maha-fitondrana mpamono vahoaka izao fitondrana Hvm izao. Efa iarahantsika miaina tato anatin’ny volana maromaro ny fidangan’ny vidim-bary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Niarahantsika mizaka koa ny fiakatra ny vidin’ny kojakoja iankinan’ny fiainana andavanandro, toy ny sakafo (voankazo, anam-bazaha na legioma). Mihatra any amin’ny ankohonana Malagasy ny fampiakaran’ny fitondrana Hvm sy ny Jirama ny sandan’ny faktioran’ireo orin’asa misy eto amin’ny herin’aratra. Miakatra koa ny sandan’ny faktioran’ny ranon’ny Jirama ka lasa 1.000 ariary ny iray “m3” raha tsy nihoatra ny 400 ariary izy io hatrizay. Ny fitotonganan’ny sandan’ny vola Malagasy dia miteraka fiakatra ny vidim-piainana. Mitranga izany amin’ny vidim-panafody sy ny vidin’ny kojakoja fanolo amin’ny milina isan-karazany mbamin’ny fiara. Toraka izany koa ny mitatao amin’ny vidin’ny akora nohafarana avy any ivelany. Izao dia re fa raha vao mitsidika io volana febroary io, izany hoe any amin’ny alakamisy any, dia hihatra koa ny vidin-tsolika vaovao, baikoin’ny tetika maloton’ny fitondram-panjakana sy ireo vahiny mandraharaha amin’ny solika eto ireo, ka hafototra any amin’ny fiakatry ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izay tsy nisy tapa-bolana akory izay, io fiakaram-bidin’ny solika io, ary hanampy trotraka an’izany koa, hono, ny akon’ny fitotonganan’ny sandan’ny vola ariary. Teo koa ny fampiakaran’ny fitondram-panjakana ankehitriny ho 20% ny tataon-kaba alaina amin’ny solika, dia ilay hoenti-mikojakoja ny lalana izany. Mazava ho azy fa hanao randran-tarihina amin’ny ho fidangan’ny vidim-piainana izany satria saika mifamato-paka amin’ny tontolon’ny fitaterana izay mifototra amin’ny solika ny asa aman-draharaha sy ny fikirakirana ny tontolo ara-pihariana rehetra. Efa niezaka nanomana ny sain’ny vahoaka ihany ny fitondram-panjakana tamin’iny herinandro lasa iny, ary hita taratra koa ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny mitaky ny marina amin’ireo mpandraharahan-tsolika eto ireo. Tamin’ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny goverenemanta tamin’ireo Loholon’i Madagasikara tetsy amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely tamin’ny volana desambra teo tokoa mantsy, dia nisy ny fanamarihan’ny minisitra ny Vola, Rtoa Andriambololona Vonintsalama, fa “tsy mazava ary tsy maharesy lahatra ny fototra iorenan’ny kajy mahatonga an’ireo mpandraharahan’ny solika eto hampiakatra ny vidin-tsolika eto amintsika”. Dia nisy ny hoe fanapahan-kevitra noraisina ka nampanantsoina hitondra famelabelarana miaraka amin’ny antontan-taratasy sy ny antonantony miteraka an’io fiakatra ny vidin-tsolika io teto ireo mpandraharahan-tsolika ireo. Nisy koa ny hoe fanadihadiana (audit) nampanaovina ny orin’asa frantsay ary novatsian’ny Banky Mondialy vola, ka nitrandrahana ny tontolo manodidina an’io fampiakarana vidin-tsolika teto io. Efa nisy ny akom-baovao re tsilian-tsofina fa misy fanararaotana manodidina ny 17% amin’ny vidin-tsolika ataon’ireo mpandraharahan’ny solika ireo. Izany hoe mihoatra 17% be izao amin’ny tokony ho izy ny vidiny ivarotan’ireo mpaninjara solika ny akorany ho an’ny mpanjifa eto. Izao anefa dia tsy hita voaka ny akon’io fahitana fototra ny fanararaotan’ireo vahiny ireo an’io fampiakarana ny vidin-tsolika io. Raha ny tokony ho izy mantsy izany dia tokony hihena 17% amin’ny vidiny amin’izao fotoana ny vidin-tsolika. Dia ny vahoaka hatrany no ho voa. Sa hoentina aiza ity vidin-tsolika ity e ?

Rainisoa

 

Lire aussi