La Gazette de la grande ile

Moramanga – Ambatondrazaka: Ny orin’asam-panjakana ihany no mamotika ny lalana

Publié le 30 janvier 2018

Isan’ny lalam-pirenena tsy nananan’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto finiavana ny hanamboatra an’iny lalampirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka iny hatramin’izay ka hatramin’izao. Atao fampanantenana hatrany isaka ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny fifidianana ny hanamboarana azy iny fa handia ny taona 2018 hiatrehana fifidianana ihany indray isika ity, fa dia io miha-potika andro aman’alina io ilay lalana. Tsy ny fiara mpitatitra entana toy ny vary avy any Alaotra na ny fiara mpitatitra olona (taxi-brousse) mihitsy no mamotika an’iny lalana iny fa ny fiaraben’ny orin‘asa Kraoma, mitatitra Kraomita mankany Toamasina. Ny tetezana any dia tsy mahazaka afa-tsy 25 taonina nefa ny fiaraben’ny Kraoma dia azo antoka fa efa maherin’ny 40 taonina ny lanjany miaraka amin’ny entana entiny (Kraomita). Hahagaga ve raha potika ny tetezana? Ankoatra izay, fiarabe ampolony maro isan’andro no mifamoivoy amin’izy iny ny an-dry zareo Kraoma, indrindra fa rehefa fotoana hanenjehan-dry zareo ny fanafarana na (kaomandy) izay. Tsy misy fepetra mba raisin’ny fitondram-panjakana mihitsy ve amin’izany? Nahoana raha mba asaina mampiasa fiara kelikely maromaro aloha ry zareo mandra-pahavitan’io lalana io amin’ny fenitra takian’ny fahazakana fiarabe mavesatra toa ireny? Nahoana koa raha mba hafainganin’ny fitondram-panjakana ny fanamboarana an’iny lalana iny ka atao mifanentana amin’ny vesatra ampiasan’ny mpitatitra azy iny izy io? Ny orin’asa Kraoma ange mba manamboatra ihany fa tena hita ny tsy maha-mpanao lalana azy e! Hany ka peta-toko ny asa ataony ho fanarenana na fikojakojana, indrindra rehefa main-tany, nefa mandavan-taona no ampiasan’ny vahoaka an’iny lalana iny.

Lire aussi