La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoham-pirenena: Tsy mbola mieritreritra ny hamoaka daty ny fitondrana

Publié le 31 janvier 2018

raka ny fotoana voafaritra dia amin’ity 31 janoary ity no hifarana vonjy maika ny fanavaozana ny lisi-pifidianana manerana ny Nosy. Tsy azon’ireo olom-pirenena efa ampy taona intsony aloha manomboka rahampitso ny manamarina ny anarany eny amin’ny biraom-pokontany misy azy. Raha ny hita tao anatin’izay fe-potoana 2 volana nanavaozana ny lisi-pifidianana izay dia vitsy ny olom-pirenena nanatona ny fokontany ka nisoratra anarana na nanao fanamarinana tao anatin’ny lisitra ny mpifidy vonjy maika. Izay no antony mahatonga ny filohan’ny CENI hilaza fa mety tsy ho tratra ny vina napetraka, tsy inona izany fa ny hahatratrarana ny isan’ny mpifidy 10 tapitrisa, amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho tanterahina amin’ny faran’ny taona. Raha izay no olana ho an’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana dia manana ny manahirana azy ihany koa ireo antoko sy mpanao pôlitika handray anjara amin’ny fifidianana, tsy inona izany ny daty hanatanterahana ny latsa-bato. Marihana fa tany amin’ny tapatapaky ny taona 2017 dia efa nisy maromaro ny mpanao pôlitika nitaky ny tokony hamoahana ny tetiandrom-pifidianana mba ahafahan’ny rehetra miomana, ary mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena. Raha ny Lalàm-panorenana no hiaingana, 10 volana eo sisa farafahatarany no tokony handeha ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mandrak’ity anefa ny androany tsy mbola mieritreritra ny hamoaka daty ny fitondran-dRajaonarimampianina izay mbola sahirana amin-javatra hafa maro. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fandrafetana ny governemanta vaovao izay efa azo antoka fa hitsangana afaka andro vitsy. Marihana fa tsy ny antoko na ny mpanao pôlitika ihany no mitaky ny tokony hamoahana izay tetinadrom-pifidianana izay fa eo ihany koa ireo fikambanana fiaraha-monim-pirenena misehatra amin’ny resaka fifidianana. Tsy vitsy amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny toe-draharam-pirenena moa no mihevitra fa inian’ny mpitondra tsy havoaka mihitsy ny datim-pifidianana mba tsy ahafahan’ireo mpifanandrina ara-pôlitika aminy hiomana.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi