La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday: Tena fahasahiana goavana !

Publié le 31 janvier 2018

Mbola resaka mpiasampanjakana matoatoa ihany e ! Nanambara indray ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitry ny asampanjakana, Maharante Jean de Dieu, fa « asaina honeran’ireo mpiasampanjakana matoatoa ny vola nalainy ho karamany nefa ry zareo tsy niasa, ary voaporofo ny maha-« matoatoa » azy ». Izany mihitsy no lojikany, ary tsy tokony iadian-kevitra izany. Notsindrian’ny Minisitra Maharante fa « raha tsy mahavita manonitra izany izy ireo dia hogiazana ny fananany ». Tena marina mihitsy koa izany, ary ampirisihana 200% ny tompon’andraiki-panjakana  hiroso hatramin’ny farany mba hahombiazan’izany.

Misy indrokelin’ny mpandrafitra anefa, Atoa Minisitra Maharante. Sao io fahasahianao io no hahitanao ny anganonao ?

Manamarika izany izahay satria tsy tokony hadinoina fa maro amin’ireo ambara fa mpiasampanjakana matoatoa ireo ange no manana andraikitra ambony amin’ny sehatra isan-karazany e ! Izay no mahatonga azy ireny hanakalo ny toerana maha-mpiasampanjakana azy, ary variana mihitsy any amin’ny misy azy any izy ireny satria mahazo tombontsoa tsaratsara kokoa noho izy mpiasampanjakana, fa ny karamany amin’ny maha-mpiasampanjakana azy aloha dia sitrahany hatrany.

Matetika dia manana andraikitra any amin’ny kabinetran’ny minisitra any na any amin’ny andrimpanjakana any ny maro amin’izy ireny. Ny dikan’izany, manana olona mety ho afaka miaro azy izy any. Ka fahasahiana goavana ny hanery azy ireny hanonitra ho ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola nalain’izy ireny nefa ry zareo efa tsy niasa intsony amin’ny maha-mpiasampanjakana azy. Eny hatramin’ny fanagiazana ny fananany.

Fa etsy andanin’izany koa, raha tsy mety ampiharana an’io fepetra io ry zareo ireny dia azo antoka fa ireo tsy mba manana mpiaro ihany indray no hizaka ny vokatry ny fandikany lalàna. Tsy olana aloha izany satria izay nandika lalàna dia rariny raha ampiharana ny lalàna, saingy tokony ho ny rehetra nandika lalàna no miaraka ampiharana ny lalàna e ! Tsy asiana fanavahana. Ankoatra izany, sao mba rariny koa aloha raha avoaka ho fanta-bahoaka izany « mpiasampanjakana » manao « rainazy » izany e ! Avoaka an-gazety mihitsy, toy ny famoahana ny lisitry ny mpianatra afa-panadinana. Amin’izay, ny vahoaka mihitsy no hanondro molotra azy. Mafy ange izany tondroin’ny olona na vahoaka molotra izany e ! Ny andrina no tsy naniry volo mantsy, hoy ny fitenenana malagasy, ny henatr’olona ; ka ianao miseho any anivon’ny fiaraha-monina any ho « izaho », mirehaka sy misekoseko ho olona ambony, mitondra fiara raitra io, hay fanetriben’ny firenena fa mitavana ny tsy ananan’ny tena zo akory. Aoka ho isan’ny fepetra horaisinareo tompon’andraiki-panjakana ambony io famoahana an-gazety ho fanta-bahoaka an’ireo mpiasampanjakana matoatoa io e ! Ary mba ho ny tena « matoatoa » fa tsy sarintsariny na sanatria anaran’olona navoakan’ny « logiciel » mampihomehy toy ny tamin’ny volana desambra an !

Dia ho tafiditra ao anatin’izany tokoa ve ireo mahitahita sy arovan’ny olona ambony sy ny any an-dapa any ? Mahakely finoana an !

Tokony hisy fepetra hentitra mihitsy koa amin’izay fananana noharian’ny karama azo tamin’ny naha-matoatoa azy ireny. Izay ilay fananana tsy ara-pahamarinana (enrichissement illicite). Dia ho hitan’ny havany eo koa hoe « nanangana trano valozoro (villa)nefa tonian’ny sampan-draharaha iray ny toerany. Rariny ve sa tsia… ? » Fepetra azo ifampifehezana avokoa izany fa ny fahasahiana sy finiavana hampahomby azy no asa aloha, satria tsy tokony hijanona ho teny ireny nambaran’ny minisitra Maharante ireny.

Ralay

 

 

Lire aussi