La Gazette de la grande ile

Fitondrana HVM: Tompon-daka amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Publié le 01 février 2018

Iray amin’ireo toetran’ny fitondrana mijoro ankehitriny ary hita nibaribary tao anatin’izay efa-taona nitondran’i Hery Rajaonarimampianina ny firenena izay ny fanitsakitsahana lalàna, na Lalàmpanorenana io, na lalàna fehizoro, na lalàna tsotra. Vao nijoro ity fitondrana ity dia efa nahitana taratra izany ny fomba nanendrena ny praiminisitra teo aloha Kolo Roger, ary mbola mitohy foana izany fanitsakitsahana lalàna izany, amin’izao herintaona latsaka mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Sarotra moa ny hilaza fa tena fatra-panaja ny lalàna daholo ireo fitondrana nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena, saingy rehefa tena mandinika amin’ny fomba fijery tsy miangatra dia tsy amim-pisalasalana no ilazana fa  ity fitondran-dRajaonarimampianina ity no tena tompon-daka eo amin’izay fanitsakitsahana lalàna izay. Tranga farany ahafahana manaporofo izany ny zava-miseho etsy Anosy, amin’izao fotoana izao. Ny zava-nisy omaly dia niroso tamin’ny fandravana ireo trano fivarotana hani-masaka eo amin’ny zaridainan’ny farihin’Anosy ny fitondram-panjakana. Misy mantsy ny fanamboarana ny zaridaina eny an-toerana izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ka izay no antony namoahan’ny fanjakana didy izay manome alalana ny fandravana ireo trano fivarotana hani-masaka ireo. Tsara marihana anefa fa tsy ara-dalàna tanteraka izao fandravana ataon’ny fanjakana izao noho ireto antony ireto: ny antony voalohany aloha dia efa nametraka fitoriana teo anivon’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana na ny “tribunal administratif” ny fikambanan’ireo mpivarotra noesorina tamin’ny toerana misy azy, herinandro vitsy lasa izay. Efa voarain’ny fitsarana moa ny fitoriana ary hatramin’ny omaly alarobia, fotoana izay nandravana ny trano fivarotan’ireto mpivarotra ireto, dia tsy mbola nivoaka ny didy amin’ny fitsarana. Raha ny lalàna velona eto amin’ny firenena anefa dia tsy tokony mbola niroso tamin’izay fandravana izay ny fitondram-panjakana raha mbola tsy mivoaka ny didy avy amin’ny tribonaly. Tsy noraharahian’ny fitondrana HVM anefa izany na dia tsy ara-dalàna aza satria maika ny fanamboarana ity zaridainan’Anosy ity mba ahafahan’i Hery Rajaonarimampianina manao fampielezan-kevitra rehefa tonga ny fotoana hitokanana azy. Ny tsy fanarahan-dalàna faharoa kosa dia tsy nampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra mihitsy ny fanjakana foibe tamin’ny fanaovana ity tetikasan’ny filoham-pirenena ity kanefa raha ny “certificat d’immatriculation” sy ny “situation juridique” an’ity zaridaina etsy Anosy ity, izay mirefy 17 ha, dia fananan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra io toerana io. Mazava ho azy fa raha misy ny fanamboarana na fananganana fotodrafitrasa eo amin’izany zaridaina izany dia tsy maintsy maka ny alàlana amin’ny kaominina. Tsy noraharahian’ireo mpitondra HVM koa anefa izany fa avy hatrany dia nataon’izy ireo ny asa. Ohatra ihany moa izay voalaza teo izay fa tao anatin’ny efa-taona nitondran’i Rajaonarimampianina dia tsy voatanisa daholo ny fandikan-dalàna nisy. Eny fa na ny dingana amin’ny fanaovana ny karatra maha matihanina ho an’ireo mpanao gazety aza dia ahitàna taratra izay tsy fanarahan-dalàna izay. Tsy resahina intsony ny fomba nanesorana an’i Honoré Rakotomanana sy ny nanendrena an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny Antenimierandoholona, eo ihany koa ny fampiasana ny fahefam-panjakana tamin’ireo kaongresin’ny antoko HVM samihafa natao tany amin’ny faritany.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi