La Gazette de la grande ile

Toe-draharaha pôlitika: Tsy hanao fitsapan-kevi-bahoaka intsony ny fitondrana

Publié le 02 février 2018

Mihazakazaka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ao anatin’izao taom-pifidianana izao. Efa samy mihetsiketsika mafy daholo ankehitriny ny etamazaoro pôlitika eto amin’ny firenena, miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena izay ho tanterahina afaka 10 volana farafahatarany, raha ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Etsy ankilany, sahiran-tsaina ihany koa ireo mpitondra satria ankoatra ny fitantanana ny firenena, izay hiarahan’ny rehetra mahita fa tsy mandeha  araka ny tokony izy intsony, dia mitady ny fomba sy ny paikady rehetra mbola hijanonana eo amin’ny fahefana ry Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpiara-dia azy ao anatin’ny HVM. Tsiahivina fa tany amin’ny faramparan’ny taona 2017 lasa teo dia niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fikasàn’ny fitondrana hanatanteraka fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana ny andininy vitsivitsy ao anatin’ny Lalàmpanorenana, mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena. Tamin’ny ankapobeny dia nanohitra izay eritreritra ny mpitondra izay ireo mpanao pôlitika ety ivelan’ny fitondrana sy ny fiaraha-monim-pirenena. Mihevitra mantsy ireto farany fa tetika maloton’ny HVM ny firosoana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka mba ahafahan’i Hery Rajaonarimampianina mijanona eo amin’ny fahefana mandritra ny fifidianana. Somary nangina moa tato ato izay resaka “reférendum” izay, mandrak’ity anefa ny androany, tsy mbola nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny mpitondra fanjakana fa tena ho atao tokoa na tsia io fitsapan-kevi-bahoaka io. Ny filoha Rajaonarimampianina raha tsiahivina dia nanambara tao anatin’ny lahateny nataony teny Iavoloha, nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, fa tsy maintsy ho tanterahina amin’ity taona 2018 ity ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy nanisy resaka momba izay fitsapan-kevi-bahoaka izay kosa na ny kely aza ny filoha. Ankehitriny kosa, fantatra araka ny loharanom-baovao marim-pototra fa nanapa-kevitra ny tsy hiroso amin’izay fitsapan-kevi-bahoaka izay intsony ny fitondrana mijoro ankehitriny. Mafy raha teo koa ny tsindry avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara any ivelany ka tsy maintsy nilefitra ihany ny HVM ny farany.

F.Tsihiavonana

 

 

 

 

 

Lire aussi